Nametrahana tsangambato ahitana ny sarin’ny amiraly Didier Ratsiraka mianakavy ao Vatomandry. Tafiditra amin’ny fahatsiarovana ny 4 novambra, daty nahaterahany izany. « Tranokely vita amin’ny fomba nentim-paharazana no nilatsahan’ny tavoniny. Niainga tamin’ny kely indrindra izy ary nisondrotra ka lasa filoham-pirenena », hoy ny zanany, Ratsiraka Sophie. Hitsidika ny atsy Maorisy ny filoha frantsay, […]
Taratra
Famahana krizy – HCDDED: Araka ny hetahetam-bahoaka ny soso-keviny
“Tsy miala amin’ny hetahetam-bahoaka ny soso-kevitra. Mizara dingana telo lehibe izany farafahakeliny”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny Filankevitra ambony miaro ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED), Ranadialison Angelo. Taorian’ny fitsidihana ara-pomba fifanajana tamin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Kly Randrianirina Michaël, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, tamin’ity herinandro ity no […]
Miandriandry manana entina
Hanao ahoana ihany ny ho tohin’izao toe-draharaham-pirenena izao? Fanavaozana na fanovana no hoe atao. Fanovana rafitra fa tsy fanovana olona; eny, na eo aza ny hoe: mila miova na ovaina aloha ny olona: izay miova no afa-kanova. Miova fomba fisaina sy fijery izany, fomba fiasa… Tsy maintsy atrehina izay. […]
Fanorenana iarahana amin’ny FFKM : Hatao amin’ny herintaona ny fikaonandoham-pirenena
Tsy ho tratra amin’ity taona ity. Andrasana ny andro hanatanterahana ny fihaonambem-pirenena karakaraina sy tarihin’ny FFKM miaraka amin’ny fitondram-panjakana. Tafiditra amin’ny famahana olana sy fiatrehana ny fanorenana ifotony ny Repoblikan’i Madagasikara ny fanatanterahana izany. Tombanana ho any amin’ny telo volana voalohan’ny taona 2026 ny hirosoana amin’ny fikaonandoham-pirenena, araka ny loharanom-baovao. […]
TSELATRA
Miantso ny tomponandraiki-panjakana ambony hijery ifotony ny firongatry ny tsy fandriampahalemana ao amin’ny distrikan’Antanimora Atsimo ny solombavam-bahoaka voafidy tao an-toerana. Miaina anaty tebiteby tanteraka ny ankamaroan’ireo mponina ary mandry tsy lavo loha noho ny fisian’ireo dahalo mpangalatr’omby sady mamono olona. Lehilahy iray tratra nanendaka bisikileta tetsy amin’ny Art malagasy Ambohitrimanjaka, ny […]





