Raha misy trangam-piarahamonina mahabe resaka angamba dia ity fanapoizinana olona teny Ambohimalaza ity. Tafakatra 31 rahateo ny namoy ny ainy, mbola am-polony manaraka fitsaboana. Tsy vitan’izay fa manjaka loatra ny fikobokobononana ny fanadihadiana sy ny fizotry ny fitsaboana ny marary. Hatramin’ny fitrandrahana vaovao aza dia manahirana, manjaka loatra ny […]
Taratra
Fikambanana miisa 292: “Mila saziana ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny fifidianana”
Namaly ny antson’ny Ceni amin’ny fakan-kevitra manoloana ny lalàna mifehy ny fifidianana ny fiarahamonim-pirenena. Nitondra ny heviny manoloana izany izy ireo. “Apetraka ny sazy momba ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny famatsiam-bola ny fampielezan-kevitra. Anisan’izany ny tsy fanaterana tatitra ara-bola. Mety hitarika ny fandrarana ny firotsahana amin’ny fifidianana manaraka sy fanafoanana ny […]
TSELATRA
Taksiborosy tra-doza teny amin’ny lalam-pirenena voalohany, teo Andavabiby, Ambatomirahavavy, omaly maraina tamin’ny 5 ora sy sasany. Nifanenjika tamin’ny fiara niray lalana taminy io fiara mpitatitra io, araka ny fanazavan’ny mpandeha. Safotra tsy nahatsiaro tena ny mpanampin’ny mpamily. Notoloran’ny zandary « autocollant » mazava alina ireo sarety sy bisikileta mpivezivezy eny amin’ny kaominina […]
Nitaky 10 tapitrisa Ar: Naiditra am-ponja ireo mpaka an-keriny miisa telo
Notanana vonjimaika any am-ponja, ny alin’ny alakamisy 17 jolay, ilay serza sy adjidà niampy vehivavy niray tsikombakomba, tamin’ny fakana an-keriny tao Ankadikely Ilafy. Nikasa hahazo vola mitetina 10 tapitrisa Ar tamin’ny rangahy izay vadin’ilay ramatoa nataony takalonaina izy ireo kinanjo tra-tehaky ny mpitandro filaminana. Nalain’ireo tsy mataho-tody tao amin’ny trano […]
Nivarotra menaka hosoka: Roa lahy nosamborin’ ny polisy
Mamono vahoaka amin’ny alalan’ny hosoka, nosamborin’ny mpitandro filaminana ireo roa lahy nivarotra menaka sandoka tao Tanambao Sotema Mahajanga, ny alarobia 16 jolay teo. Nikasa hividy menaka ny renim-pianakaviana iray ka tojo azy roa lahy. Tsy nisalasala nanonona ny vidin’io entana io ireo mpisandoka. Taitra ilay ramatoa satria mora tsy araky […]




