Nandefa taratasy eny amin’ny HCC ireo minisitra teo aloha isany, Sahondrarimalala Marie Michelle sy Razafinjato Aurélie mba hiverenan’izy ireo ho depiote indray. Voafidy tao Fianarantsoa sy Vohibato izy ireo fa voatendry minisitra tamin’ny fitondrana Rajoelina. Niakatra ho depiote ireo mpisolo toerana. Hiverina eny Tsimbazaza izany izy roa vavy. Hisokatra sy […]
Taratra
Raharaham-pirenena : Mijoro hiaro ny tolona sy hanara-maso ny asa ny KMT
“Najoro ny Komity miaro ny tolona (KMT) mba hiaro ny tolona natao”, hoy ny fanambaran’izy ireo, notarihin’ny mpandrindra nasionaly, Rakotomavo Lanto, teny Mahamasina, omaly, manoloana ny toe-draharaham-pirenena. Mba hanarenana sy hamerenana an’i Madagasikara sy ny Malagasy eo amin’ny toerana tena sahaza azy no antony itsanganany. Hitondrana koa ny fanavaozana eo […]
Hatrany ifotony…
Lasa misy fikorontanana anaty tsy fidiny ny eny anivon’ny kaominina sy ny fokontany sasany amin’izao. Misy ny fanararaotana? Na nipoaka ho azy izay niotrika ela… Tsy inona fa ny hetsika ataon’ny mponina na ny ampahan’ny mponina: mitaky ny fanalana ny ben’ny Tanàna na ny lehibem-pokontany, tsy mamela ny famohana […]
Famafana sazy : Ho avy hifampiresaka ny iraky ny Vondrona afrikanina
Handefa iraka ho avy eto Madagasikara ny eo anivon’ny Vondrona afrikanina (UA). Hanelanelana sy hitady vahaolana manoloana ny raharaham-pirenena izy ireo, indrindra taorian’ny nilatsahan’ny sazy ho an’i Madagasikara. Ho avy indray ny iraka manaraka. Notendren’ ny filohan’ny vaomieran’ny Vondrona afrikanina (UA), ho iraka manokana ho avy eto Madagasikara tsy ho […]
TSELATRA
Dahalo telo lahy nikasa hanafika mpandraharaha maty voatifitry ny zandary, omaly, tany Ambato Boeny. Nifanandrina tamin’ny zandary izy ireo ka izao lavo izao. Teny an-dalana avy any Andranofasika hihazo an’Ambato Boeny (lalam-pirenena faha-33bis) ireo olon-dratsy ireo ny alin’ny alatsinainy, tamin’ny 11 ora. Nanao vela-pandrika ny zandary ka nahatrarana azy ireo. […]





