Taratra

Fanapoizinana teny Ambohimalaza  : Mihenjana ny fianakaviana, mifamotika ny politisianina

35 andro katroka androany ilay “Anniversaire mainty”, teny Ambohimalaza. Olona 31 no maty. Tsy hita ny tena marina. Mihenjana ny fianakaviana. Mivadika ho fifamotehan’ny politisianina ilay tranga.  Tsy hilefitra vokatry ny fa­moizana ny ain-janany sy havany nateraky ny so­tasotan’ny hafa, taorian’ny fa­napoizinana ara-tsakafo teny Ambohimalaza, iray volana aty aorian’ny tranga, […]

Sekoly fanabeazana fototra: Tsy hita soritra ny any ambanivohitra

Ambaratonga voalohany na sekoly fanabeazana fototra an’ny fanjakana ny ankamaroany manerana ny Nosy. Hatramin’izao, tsy hita soritra ny any ambanivohitra. Fa­naovana tombana izao fotoam-pialantsasatra izao momba ireo olana samihafa . Niainga avy any ivelany ny tantaran’ny fampianarana eto Madagasi­kara, nanamarika ny tanta­ran’ny Nosy nanomboka tany amin’ny taonjato faha-XIX. Tamin’io fotoana […]

VAOVAO TAMBATRA

Miisa 5 ny tena andraikitry ny filoha Rajoelina Andry, hitarika ny Sadc, manomboka amin’ny aogo­sitra 2025. Mitarika ny asan’ny fihaonana an-tampony. Mamaritra ny laharam-pahamehan’ny Sadc. Misolo tena ny Sadc sy ny mpikambana any amin’ny fivoriambe iraisam-pirenena. Mandrindra ny asan’ny Troïka. Manara-maso ny fandaharanasa. Mitentina 3,5 tapitrisa dolara ny tetikasa hiatrehana […]

Angovo maitso : Hamoraina ny fahazoana ny fitaovana

Mifototra amin’ny angovo maitso, madio sy azo havao­zina ny fampandrosoana ma­haritra. Hanatrarana izany, miara-miombon’antoka ny orinasa Solarmax sy ny Sipem Banque, manamora ny fisitrahan’ny rehetra ny fitaovana sy ny kojakoja ahazoana herinaratra avy amin’ny masoandro, vidiana tsikelikely. Ao anatin’ izany ny takelaka misintona ny herin’ny masoandro, ny vata manova tanjaka […]