Tanterahina eto Madagasikara, etsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina, ny 18-20 jolay, ny Fihaonamben’ny tanora avy aty amin’ny ranomasimbe Indianina momba ny toetr’andro, « Ioccy». Nanokatra izany tamin’ ny fomba ofisaly, omaly, teny an-toerana, ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Moustapha Marson Abdulah. Nisongadina nandritra ny lahatenin’ity minisitry […]
Taratra
Sary momba ny tontolo iainana : Nandray anjara ny CEG Andranomena
Nofaranana, omaly, ny tetikasa fifaninanana sary atao amin’ny sekolim-panjakana ka ny CEG Andranomena no nanatanterahana izany tamin’ity taona ity. Omen’ny fikambanana Maeva fampiofanana ireo mpianatry ny EPP sy CEG ka natomboka teny amin’ny EPP Ivato Village ny tetikasa ny taona 2024 ary nitohy teny amin’ny CEG Andranomena. Sekoly 35 ao […]
Mpiasan’ny fahasalaman’ny saina: Niofana momba ny « Psychoéducation familiale » (Bref)
Tontosa nandritra ny roa andro, teny amin’ny Centre Arrupe Madagascar Faravohitra, ny fampiofanana iraisam-pirenena nokarakarain’ny fikambanana Psy-kôzy Madagascar (Commission scientifique). Hetsika niarahana niasa tamin’ny “Centre Hospitalier Le Vinatier sy ny Centre de ressources en réhabilitation psychosociale any Lyon” momba ny “psychoéducation familiale na Bref”. Fandraisana an-tanana tsy ara-medikaly mipaka amin’ny […]
Kaominina dimy ao Ikongo: Tao anatin’ny roa andro, olona 164 no voatily fa voan’ny tazo
Mitohy ny fitsidihana ny tokantrano ao amin’ireo kaominina mandrafitra ny distrikan’Ikongo hanadihadiana momba ny aretina tazo sy hitiliana ny tsy fanjarian-tsakafo. Mitondra ny vokatry ny fanadihadiana teny ifotony ny Corupi. Kaominina dimy, Ikongo, Ambatofotsy, Ambinanitromby, Belemoka ary Maromiandra, ao amin’ny distrikan’Ikongo, no sahanin’ny Centre opérationnel de réponse à l’urgence paludique […]
TARATRY ny KANTO
Hisy fampisehoana atolotry ny Jazz Club CGM, rahampitso, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Hanampy azy ireo koa i Mendrika Rasolomahatratra, mpampianatra ampongamaroanaka sady mpitendry matihanina rahateo. Fotoana fizarana sehatra ity ho an’ireo mpikambana, sy fizarana traikefa koa ho an’ireo zoky eo amin’ny mozika. Efa fifampitaizana sy fotoana ifaneraserana ihany koa […]




