Vehivavy enina sy lehilahy efatra, hita faty tany Katsepy, omaly. Hita teo amoron-dranomasina ny sivy ary natsingevan’ny ranomasina ny iray. Nahitana pasipaoro manambara fa teratany somalianina ny roa tamin’izy ireo. Tafakatra 10 ireo razana hita tany amin’ny fokontany Antrema, kaominina ambanivohitra Katsepy, distrikan’i Mitsinjo, faritra Boeny, omaly. Vehivavy ny enina […]
Taratra
«Mondiaux Junior 2025» : Nahazo tompondaka miisa 4 i Madagasikara
Tafaverina an-tanindrazana ny sabotsy lasa teo, ny ekipam-pirenena malagasin’ny tsipy kanetibe, sokajy «Juniors» lahy sy vavy. Avy niatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, natao tany Espagne ny 24 – 26 oktobra lasa teo. Tsy niveri-maina fa nahazo tompondaka maneran-tany miisa 4. Notsiahivin’Andrianirina Adrien, filohan’ny Federation Sport Boule de Madagascar […]
SOMBIM-BAOVAO
Anatin’ny fanomanana tanteraka ny fifaninanana « Muay Thai Tournament 3 » amin ‘izao fotoana izao, ny mpikarakara. Anisan’ny ady hafana amin’io, ny eo amin’ny sokajy latsaky ny 57 kg lehilahy. Mpikatroka manana ny maha izy 3 lahy no hifanandrina amin’izany, hahitana an’i Lahatra (Tiger’s), i Gael (Toamasina) ary i Tahiana (Phoenix Antsirabe). Ny […]
Echecs: Miatrika « coupe du monde » i Fy
Tontosaina any Inde, nanomboka ny 30 oktobra lasa teo, hatramin’ny 27 novambra, izao, ny fiadiana ny amboara maneran-tany « Fide », taranja échecs. Tsy diso anjara amin’izany i Madagasikara fa manana an-dRakotomaharo Fy Antenaina izay miatrika ity fifaninanana ity any an-toerana. Malagasy mpilalao échecs, laharana voalohany i Fy. Azo lazaina ho miady […]
Olan’ny baolina kitra : «Tsy hanongana ny FMF fa mitaky fanadiovana», hoy i Faneva Ima
Fanadiovana sy fanatsarana ary fametrahana ny toerany ny baolina kitra amin’ny maha fifaninanana ara-dalàna azy no ilaina apetraka eto Madagasikara. Io no antsoantson’ireo mpankafy baolina kitra tonga tetsy Mahamasina, ny faran’ny herinandro lasa teo. Atsaharo ny tsindry hazo lena sy ny fanaovana ramatahora, hoy izy ireo. Tonga namaly ny antson’ireo […]





