Naratra mafy voan’ny antsy nataon’ny olon-dratsy miisa efatra ny raim-pianakaviana iray tao Analatsiandry, kaominina Miarinavaratra, distrikan’i Fandriana Fisakana, ny alin’ny alakamisy 9 jolay teo. «Avy nivarotra tao an-tsena i dada sy i mama niaraka amin’ny zaodahiny”, hoy ny fanazavan’ny zanaky ny lasibatra. Niala sahabo 50 metatra ny tsena ka nanomboka […]
Taratra
Ambohijanaka: Mpamaky trano tratra teny an-tanimbary
Voasambotry ny fokonolona sy ny zandary teny an-tanimbary, ny mpamaky trano iray tao amin’ny kaominina Ambohijanaka, afakomaly. Niditra mangingina tao amin’ny tokantrano iray tao amin’ny Antovontany io lehilahy io, ny atoandron’io alarobia 9 jolay io. Nobatainy ny fahitalavitra. Nitsorika nivoaka avy hatrany izy. Tsikaritry ny mpiara-monina ny fihetsik’io olon-dratsy io. […]
Nivoaka ny didim-pitsarana : Hovosirina i Da-Willy, ilay mpanolana ankizy
Nilatsaka ny didy! Hovosirina, higadra hanao asa an-terivozona mandra-pahafatiny Andrinambinintsoa Johnny William na i Da-Willy. Nanolana zazavavikely vao enin-taona, teny Imerintsiatosika, ny harivan’ny 3 marsa 2024, izy. Niakatra teo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Anosy, efitrano fahadimy, omaly, ny raharaha mahakasika ny fanolanana ankizivavy enin-taona tetsy Imerintsiatosika, ny harivan’ny alahady 03 […]
« Mondial La Marseillaise à Pétanque » : Tompondaka ny ekipa voafantin’ny Malagasy
Nahazo ny laharana voalohany ! Voahosotra ho tompondaka, ny fifaninanana tsipy kanetibe, “Mondial La Marseillaise à Pétanque”, izay natao tany France, ny ekipa malagasy misy an-dry Rakotoarisoa Yves Sédrick sy Razanadrakoto Tiana Laurens ary Rakotoarisoa Lova. Lavon’izy ireo tamin’ny isa, 13 no ho 10 ny ekipa voafantina frantsay, misy an-dry […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotontosaina ny 2 hatramin’ny 9 aogositra izao any Toamasina, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja Volley ball, sokajy latsaky ny 16 taona sy latsaky ny 23 taona lahy sy vavy. Ao amin’ny Arena Sport Toamasina no hanaovana ny fifaninanana. Ho feno tanteraka ny fandaharam-potoana mandritra ny “Jamboree National Minibasket” hatao […]




