Nisy ny famelabelarana momba ny fankalazana hotanterahina ny 15 jolay ho fanamafisana ny fahaleovantenan’ny tanora ara-toekarena manoloana ny fandrosoan’ny faharanitan-tsaina artifisialy. Nandray anjara tamin’ny hetsika ny tale jeneralin’ny fampianarana teknika, Razafindrarija Felana Nambinina. Nivoaka omaly ny voka-panadinana BEPC ho an’ny Cisco Antananarivo Avaradrano. Nahatratra 59,50% ny taha-pahafahana. Nihena ny taha-pahafahana […]
Taratra
Famonjena ny olona any Ikongo: Mila haingana sy mivantana ny vokatry ny asa
Nanaporofo ny fitondram-panjakana, omaly, fa miara-mientana ny hery velona rehetra amin’ny fiatrehana ny trangan’aretina tazomoka mitongatra any amin’ny distrikan’ Ikongo. Efa miantsehatra avokoa ny tomponadraikitra rehetra, ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny BNGRC, ny mpitandro filaminana manampy ireo mpiray tanindrazana any an-toerana, araka ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. […]
Protocole de Maputo : Mitohy ny adisisika amin’ny fankatoavana
Nampahafantatra ny hetsika hanamarihana ny faha-22 taona nisian’ny fifanarahan’i Maputo ho an’ny firenena afrikanina ny tomponandraikitra misahana izany eto Madagasikara, omaly, tetsy Besarety. Tombony ho an’i Madagasikara ity fifanarahana ity satria lalàna velona sy mihatra noho izy mirakitra andininy 32 miresaka ny zon’ny vehivavy. Eo koa ny fijerena ny antsipirian’ny […]
Andro iraisam-pirenena ho an’ny mponina: Omena sehatra ny tanora hisafidy hoavy mamiratra
Mitondra hafatra ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie, ka nilaza fa ny fanabeazana ny tanora hahafahan’izy ireo misafidy malalaka sy am-pahamendrehana ny lafiny ara-pananahana no vahaolana mahomby. Andro maneran-tany ho an’ny mponina anio. Omeo ny tanora ireo fomba hanorenany fianakaviana araka ny safidiny ao anatin’ny tontolo marina […]
TSELATRA
Tonga teny amin’ny fitsarana Anosy, omaly maraina, ny fianakavian’ireo tanora namoy ny ainy vokatry ny fanapozinana ara-tsakafo teny Ambohimalaza ny 14 jona lasa teo. Mitaky ny hamoahana ny marina momba io raharaha io izy ireo. Miantso ny fianakavian’ireo niharam-boina rehetra ihany koa hanao ny fitakiana. Lehilahy iray no voasambotry ny […]




