Taratra

Nivaly ny fitiliana tany andafy: Manamafy ny fanapoizinana mahery vaika ny fanjakana

Mbola manitrikitrika ny fampanoavana sy ny minisiteran’ny Fahasalamana fa poizina mahery vaika no nahafaty ireo 29 mianadahy teny Ambohimalaza. Manamafy izany ny valin’ny fitiliana natao tany France. Nampahafantarina tetsy amin’ny fitsarana Ano­sy, omaly, ny vokatry ny fitiliana natao tany France, mahakasika ilay tranga fanapoizinana teny Ambohimalaza ny 14 jona lasa […]

Fanomanana ny Afrobasket : Hifandona amin’i Mali, Congo, Cap Vert ary Côte d’Ivoire ny Ankoay

Ho feno tanteraka ny fandaharam-potoanan’ny An­koay, ao anatin’ny fanomanan-tena hiatrehana ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika “Afro­basket 2025”, izay nanomboka ny alatsinainy 7 jolay lasa teo. Ankoatra ny fampivondronana sy fanarazan-tena iraisana, lalao ara-pirahalahiana 4 no miandry ny ekipa malagasy, manomboka ny 11 jolay izao ao Frantsa. Hifandona amin’i Madagasi­kara voalohany, […]

Gothia Cup 2025: Hisolo tena ny Dream Team FC

Nambaran-dRakotomalala Lanto, filohan’ny Dream Team FC Mada, tamin’ny mpanao gazety, omaly, tetsy Antaninarenina fa handray anjara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena amin’ny baolina kitra “Gothia Cup 2025”, ho an’ny sokajy zandriny izy ireo. Fifaninanana, hotanterahina any Suède, ny 13 – 19 jolay ho avy izao. Roa taona taorian’ny nitsanganany sambany hiatrika lalao […]

SOMBIM-BAOVAO

Tsy ao anatin’ny lisitry ny Ankoay, miatrika ny fampivondronana hiatrehana ny Afrobasket 2025, i Jerry sy i Donovan ary i Johan. Tsy mbola fantatra mazava ny antony fa raha tsiahivina, anisan’ireo mpilalao nandritra ny fifanintsanana nahazoana ny tapakilan’ny Afrobasket i Jerry sy i Johan. Nanomboka ny alatsinainy 7 jolay lasa […]

Korontana amin’ny baolina kitra : “Ny mpikamban’ny FMF no fototry ny olana”, hoy i Tôta

Namaky bantsilana ny tsy fetezana eo amin’ny fitantanana ny fifaninanam-pirenena amin’ny baolina kitra amin’izao fotoana izao, Rakotoarimanana Henintsoa (Tôta), filohan’ny Club des Elites de Football Madagascar (CFEM). Misy mitsabaka andraikitra ireo mpitantana eo anivon’ny federasionina malagasy (FMF), hoy izy. Nivoaka tamin’ny fahanginany, Rakotoari­ma­nana Henintsoa (Tôta), filohan’ny Club de Football Elite […]