Taratra

Nodarohan’olon-tsy fantatra : Lehilahy 65 taona nihoson-dra tetsy Ambodin’Isotry

Lehilahy lehibe iray manodidina ny 65 taona naratra mafy nodarohan’olon-tsy fantatra tetsy Ambodin’Isotry, omaly tamin’ny 01 ora sy sasany tolak’andro. Efa nihosin-dra ny tarehy sy ny lohan’io raim-pianakaviana io vokatry ny vono nahazo azy. Nisy andian-olona nidaroka azy tampoka sy tao anatin’ny fotoana haingana be io niharam-boina io, raha ny […]

Disadisam-pianakaviana : Vehivavy bevohoka maty voatifitra

Maty nisy nitifitra tany Mahazoarivo Atsimo, ny alatsinainy teo, ny vehivavy bevohoka iray. Ahina ho disadisam-pianakaviana no antony namonoana azy io. Vehivavy bevohoka iray (25 taona) maty notifi­rin’olon-dratsy teny Mahazoarivo Atsimo, ny alatsi­nainy tamin’ny 8 ora latsaka folo hariva lasa teo. Lasa nandositra avy hatrany ny nahavanon-doza rehefa avy nanao […]

Distrikan’Ikongo: Vaky ny ady amin’ny tazomoka

Nitarika fivoriana handrindrana bebe kokoa ny drafitrasa fanatanterahana ifotony ny hanampiana ny vahoakan’Ikongo ny Praiminisitra, Ntsay Christian, omaly, teny amin’ny biraon’ny BNGRC. Efa nialohavan’ny fivoriana matetika niarahana tamin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, izany. Anisan’izany ny toromarika hentitra sy mazava momba ny fanampiana marolafy tsy maintsy entina sy hatao ho an’ny […]

Filankevitry ny governemanta: Nangataka fahafahana manao hetsika ny mpanohitra

Anisan’ny efa nodinihina sy voaresaka tamin’ny filankevitry ny governemanta ny herinandro lasa teo, ny tolo-dalàna avy amin’ireo solombavambahoaka, mpanohitra. Anisan’ny notakian’ireo depiote avy amin’ny fanoherana amin’izany ny momba ny fahafahana manao hetsika politika, ao anaty fahalalahana tanteraka manerana ny Nosy. Nanamafy izany ny depiote avy amin’ny Firai­sankina, natolotry ny Tim, […]

Fiaraha-miasan’ny MFFT sy ny AFD: Miroso ny tetikasa miantraika amin’ny vahoaka eny ifotony

Manatanteraka iraka fanaraha-maso ireo tetikasa eto Madagasikara ireo delegasionin’ny Fiaraha-miasa Frantsay (AFD). Nivoitra tamin’izany ny ezaka vita sy ny hanohizana izany, manomboka izao. Noraisin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina ireto iraka ireto, omaly tetsy Anosy. Anisan’ny anton-dian’izy ireo ny famaranana ny fandaharanasa Padeve, dingana […]