Taratra

Fiaraha-miasan’ny MFFT sy ny AFD: Miroso ny tetikasa miantraika amin’ny vahoaka eny ifotony

Manatanteraka iraka fanaraha-maso ireo tetikasa eto Madagasikara ireo delegasionin’ny Fiaraha-miasa Frantsay (AFD). Nivoitra tamin’izany ny ezaka vita sy ny hanohizana izany, manomboka izao. Noraisin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina ireto iraka ireto, omaly tetsy Anosy. Anisan’ny anton-dian’izy ireo ny famaranana ny fandaharanasa Padeve, dingana […]

Fitantanam-panjakana : Mila mifameno ny hasina sy ny fahefana amin’ny fitondrana

Tokony ho ara-drariny sy ara-dalàna mandrakariva ny fitantanam-panjakana na ny fitondrana. Amin’izay, mitoetra ary maharitra ny fahamarinan-toerana. Mila mifameno ny hasina sy ny fahefana. Famakafakana… Amin’ny ankapobeny, hasina no andikan’ny Malagasy ny hoe “autorité”. “Hery misy fahefana hanasoa na handresy, heverina ho misy ao amin’ny fanahy na olona na zavatra […]

Ady tany : Lehilahy iray maty, iray hafa naratra

Namoy ny ainy ny iray tamin’ireo roa lahy nifampitomboka tamin’ny angady tao amin’ny fokontany Ambalavao Ivondrona, kaominina ambanivohitra Sahambavy, distrika Lalangina, afakomaly. Nifamaly momba ny ady tany izy roa lahy. Naka angady sy fitaovana vita avy amin’ny vy ny roa tonta ka nifampikasi-tanàna. Tsy nifampitsitsy fa samy nifamely tamin’ny loha […]

HOSOKA bakalorea : Mitondra fanentanana ny minisitera

Ankatoky ny fanadinana bakalorea isika izao. Efa ifanotofana ireo karazana famerenana etsy sy eroa. Mirona manenjika ireny ny tanora. Nanafatrafatra ny minisiteran’ny Fam­pianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa fa tsy tokony hovoarebirebin’ireo mpisoloky misandoka ho manana laza adina mialoha ny fotoana. Henjana ny sazy ampiharin’ny lalàna ho an’izay tratra manao […]

Menaka tsy azo amidy eny amin’ny tsena: Takina ny fanazavan’ilay orinasa mpanondrana

Nambaran’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Indostria sy ny varotra, ny 3 jolay teo, fa tsy azo amidy eny an-tsena ny menaka sakafo, mitondra ny marika “Roots”. Noraisin’ny fitaleavan’ny Indostria sy ny varotra any Antsirabe izany fanapahan-kevitra izany taorian’ny fisafoana nataon’izy ireo ny 23 jona teo, tamin’ny mpamongady iray. Hatra­min’ izao anefa, […]