Tokony ho ara-drariny sy ara-dalàna mandrakariva ny fitantanam-panjakana na ny fitondrana. Amin’izay, mitoetra ary maharitra ny fahamarinan-toerana. Mila mifameno ny hasina sy ny fahefana. Famakafakana… Amin’ny ankapobeny, hasina no andikan’ny Malagasy ny hoe “autorité”. “Hery misy fahefana hanasoa na handresy, heverina ho misy ao amin’ny fanahy na olona na zavatra […]
Taratra
Ady tany : Lehilahy iray maty, iray hafa naratra
Namoy ny ainy ny iray tamin’ireo roa lahy nifampitomboka tamin’ny angady tao amin’ny fokontany Ambalavao Ivondrona, kaominina ambanivohitra Sahambavy, distrika Lalangina, afakomaly. Nifamaly momba ny ady tany izy roa lahy. Naka angady sy fitaovana vita avy amin’ny vy ny roa tonta ka nifampikasi-tanàna. Tsy nifampitsitsy fa samy nifamely tamin’ny loha […]
HOSOKA bakalorea : Mitondra fanentanana ny minisitera
Ankatoky ny fanadinana bakalorea isika izao. Efa ifanotofana ireo karazana famerenana etsy sy eroa. Mirona manenjika ireny ny tanora. Nanafatrafatra ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa fa tsy tokony hovoarebirebin’ireo mpisoloky misandoka ho manana laza adina mialoha ny fotoana. Henjana ny sazy ampiharin’ny lalàna ho an’izay tratra manao […]
Menaka tsy azo amidy eny amin’ny tsena: Takina ny fanazavan’ilay orinasa mpanondrana
Nambaran’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Indostria sy ny varotra, ny 3 jolay teo, fa tsy azo amidy eny an-tsena ny menaka sakafo, mitondra ny marika “Roots”. Noraisin’ny fitaleavan’ny Indostria sy ny varotra any Antsirabe izany fanapahan-kevitra izany taorian’ny fisafoana nataon’izy ireo ny 23 jona teo, tamin’ny mpamongady iray. Hatramin’ izao anefa, […]
Nivaly ny fitiliana tany andafy: Manamafy ny fanapoizinana mahery vaika ny fanjakana
Mbola manitrikitrika ny fampanoavana sy ny minisiteran’ny Fahasalamana fa poizina mahery vaika no nahafaty ireo 29 mianadahy teny Ambohimalaza. Manamafy izany ny valin’ny fitiliana natao tany France. Nampahafantarina tetsy amin’ny fitsarana Anosy, omaly, ny vokatry ny fitiliana natao tany France, mahakasika ilay tranga fanapoizinana teny Ambohimalaza ny 14 jona lasa […]




