Taratra

Ambatofahavalo : Mpisoloky Cash Point voasambotra

Nampiasa « puce » miisa roa. Noraisim-potsiny ny lehilahy mpisoloky tao Ambatofahavalo, distrikan’Atsimondrano, ny 4 jolay teo. Nilaza haka vola amin’ny alalan’ny finday tao amin’ny Cash Point io lehilahy io. Nampiasa teti-dratsy anefa izy. Noraiketiny anatin’ny findainy anatin’ny “puce” hafa ny hafatra miafina toy ny avy amin’ilay tambajotra hangalany ny vola. Voasoratra anatin’io hafatra […]

Nahatrarana grenady sy basy : Roa lahy naiditra eny Tsiafahy

Mpidoroka rongony mahery vaika, “Métamphétamine”, sady mpihazona fitaovam-piadiana mahery vaika niara-naiditra eny Tsiafahy, ny alakamisy 3 jolay teo. Niakatra fampanoavana ny alakamisy 3 jolay teo, notanana vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ireo roa lahy nahatrarana fitaovam-piadiana teny Atsimondrano. Naharay angom-baovao ny polisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina. Nosavaina ny […]

FANTINA sy FINTINA

Nanotrona ny fankalazana ny faha-23 taonan’ny antoko Tim ny avy amin’ny HVM. Nisolo tena azy ireo ny sekretera jeneraly, Rasambany Alain Desiré. Nambarany fa potika tanteraka ireo seha-pihariana rehetra ka mila fanarenana sy fanovana. Nisy ny fahanginana iray minitra ho an’ireo maty noho ny fahapoizinana sy ny any Ikongo, tetsy […]

TGV Mahajanga : Manamafy ny firaisankinany ny antoko

Notontosaina ny sabotsy teo, tany Mahajanga, ny fi­vo­rian’ireo mpikambana amin’ ny antoko politika Tanora mala Gasy Vonona (TGV). Tanjon’ity fampivoriana ity, tany an-toerana, ny hanaovana fanavaozana sy fanamafisana indray ny antoko. Eo koa ny fanamafisana ny fahavononana eo amin’ny fampandrosoana ny faritra any an-toerana, araka ny baiko efa napetraky ny […]

Fahamboniana ambany  

Kasikety mivadika aloha aoriana, akanjo rovitra kiho, pataloa rovitra lohalika sy miborotsaka… Izany no hoe manaraka toetrandro. Lamaodin’ny tanora ankehitriny. Fahamboniana? Te hiala amin’izay tsara sy mahasoa ary mahafinaritra mahazatra. Dia miditra amin’ny tsy misy mpanao hoe mampiavaka… Any amin’ny saina no misy kely na tsy ampy kely? Mivadika aloha […]