Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, ny sabotsy lasa teo, tetsy Mahamasina, ny andro fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ny Fanatanjahantena. Ho fanamarihana izany, nikarakara hetsika goavana, « Salon National des Sports », miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy, teny an-toerana, ny minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (MJS), izay tarihan’ny minisitra, Moustapha Marson Abdulah. Samy nahatsapa ny […]
Taratra
“Urban Trail”- Ady amin’ny lefakozatra: nahatratra 4500 ny isan’ireo mpandray anjara
Samy afapo tamin’ny hazakazaka, izay nokarakarain’ny minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (MJS) sy ny Rotary Club, ireo mpandray anjara tamin’ilay “Urban Trail”. Natao hitadiavana vola hiadiana amin’ny lefakozatra izany. Nahomby ! Mpandray anjara maherin’ny efatra arivo, izany hoe 4500, tonga niatrika ny hazakazaka amin’ny alaviran-dalana, “Urban Trail”, omaly. Araka ny […]
Loza nandritra ny fety: mpilomano natelin’ny ranomasina
Raim-pianakaviana 26 taona, natelin’ny ranomasina ny 25 jona teo, tetsy amin’ny ranomasina mifanila amin’ ireo trano heva maro be fivarotana zava-pisotro. Raha ny angom-baovao, noho ny fiaretan-tory fiandrasana ny fetim-pirenena ny 26 jona dia niaraka tamin’ ny vadiny ity tovolahy ity mba hiaraka « hanala azy », araka ny tenin’ny zatovo ankehitriny […]
Toamasina: jiolahy saika matin’ny fitsaram-bahoaka
Lehilahy iray niditra avy hatrany tao amin’ny Cash point, etsy amin’ny fokontany Morafeno, tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro, ny talata 24 jona teo. Raha vao tafiditra ny tenany dia nakatony avy tao anatiny ilay tsena ary nokendainy tao ilay renim-pianakaviana, izay mbola sady mitaiza ny zanany no mitantana an’ io […]
Faharetana sy fiaretana
Tsy fandriampahalemana, fidangan’ny vidim-piainana, fahatapatapahan-jiro sy rano… Mila fiaretana sy faharetana ny famahana olana? Mba indray mandeha tsy miverina, azo antoka, mahomby, maharitra… Miandry sy manantena ny vahoaka. Tsy inona, ohatra, izay fiaretana fa fahoriana, raha tsy mitera-bokatra ho amin’ny fiainana… lanja miakatra. Mandra-pahoviana? Tsy misy olana tsy azo vahana. […]




