Taratra

Fampandrosoana ny toekarena: mila arindra ny trosam-panjakana

Miantoka ny fampandrosoana ny toekarena ny fahaiza-mitantana ny trosam-panjakana. Tao anatin’ny 10 taona, mijanona amin’ny antonony ny trosan’i Madagasikara. Tanterahina eto Mada­ga­­sikara, mandritra ny telo andro, ny 24 ka ha­tramin’ny 26 jona, ny «Forum d’été du club des dirigeants de banques et établissement financiers d’Afrique» handinihina ny toekarena. Lohahe­vitra tamin’ity […]

Mifalia na izany aza!  

Tonga ny asaramanitra! Hakotrokotroka ny fankalazana eto an-dRenivohitra. Ho jejojejo ny mponina fa mahazo fitaovam-pitaterana manara-penitra. Tsy vitan’izany fa mbola “ hampirevena” amin’ny seho isan-karazany, mba hanadinoana ny sorisorim-piainana sy ny fahoriana isan-karazany. Maro isafidianana izy ao. Tena manao izay ho afany ny fitondrana mba ho fotoam-pankalazana tsy ho hay […]

Depiote Tim, Randriamasinoro Ny Rina: “Miaina krizy ara-pahasalamana goavana isika”

Naneho ny heviny manoloana izao toe-draharaha eto amin’ny firenena izao ny de­piote Randriamasinoro Ny Rina. Nahitsy ny nambarany. “Miaina anaty krizy ara-pahasalamana goavana ny firenena amin’izao fotoana izao”, hoy izy. Nanteriny fa mitohy miparitaka amin’ireo faritra rehetra manerana ny Nosy izany. Nomarihin’ity sekretera jeneralin’ny antoko Tim ity fa mitombo 38% […]

Ben’ny Tanàna Ramanantsoa Harilala: “Miantoka ny fitiavan-tanindrazana ny fahalalana tantaram-pirenena”

65 taona niverenan’ny Fahaleovantena sy nijoroan’ny Foloalindahy. Zava-dehibe ny fahalalana ny tantara. Izay no miantoka ny fananana fitiavan-tanindrazana. “Zava-dehibe eo amin’ny fanabeazana ny ankizy sy ny tanora ny fahalalana sy fiorenana amin’ny tantaram-pirenena. Satria izay no miantoka ny ananana fitiavan-tanindrazana latsa-paka lalina ao amin’ny tsirairay”. Io ny lahatenin’ny ben’ny Tanàn’Antananarivo […]

Ambohidratrimo: jiolahy valo tratry ny zandary

Jiolahy valo voasambotry ny zandary avy any Ambohi­dratrimo, afakomaly tamin’ny 9 ora alina. Nikasa hanafika toeram-panaovana filanonana iray tany Ambatobe izy ireo tamin’io fotoana io. Saingy tratran’ny zandary rehefa nanaovana paikady ahafahana misambotra azy ireo. Nifanao fotoana tamin’ny trano iray ireo tovolahy, mpanao asa ratsy sy mikambana ao anatin’ ny […]