Taratra

Rakotomalala Marcel: «Tsy mbola nisy Makis tsy nifaninana izany»

Nioty vokatra tsara ary nampakatra avo ny lazan’ny baolina lavalava indray ny Makis de Madagascar. Voahosotra ho tompondaka lefitra aty Afrika ary nahazo ny tapakila hiatrehana ny «Circuits mondiaux 2026». Nanambara ny zava-misy Rakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby. Gazety Taratra (*): Ny vokatra azon’ny Makis tatsy Maurice ve afaka hilazana […]

Tarika Reko Band: hiseho ao amin’ny FJKM Ambavahaditokana

Ho fiderana an’Andriamanitra noho ny fahasoavana narotsany, mikarakara fampisehoana iarahana amin’ny tarika Reko Band ny sampana Mpanazava sy Tily ao amin’ny FJKM Amba­vahaditokana Fanilon’i Kristy, ny alahady 29 jona izao amin’ny 3 ora tolakandro. Hatao ao an-toerana ihany izany. Hoentina hanohanana ny fikambanana sy hanefana ny adidy masina iantsorohan’izy ireo […]

RFF sy ny FJKM Amparibe Famonjena: hitondra am-bavaka ireo mpanala fanadinana

Hotanterahina anio 25 jona, ao amin’ny fiangonana FJKM Amparibe Famonjena, ny fitondrana am-bavaka ireo mpanala fanadinana sy vavaka ho an’ny tanindrazana. He­tsika fanao isan-taona, karakarain’ny Rantsana fialamboly sy fanatanjahantena (RFF). Hiavaka ity andiany faha-23 ity, satria, handray anjara ny antoko mpihira Anjomaran’ny Fitiavana Tranovato Toamasi­na, tarihin’ny mpitandrina Ba­rinarivo, filoha synodaly […]

Avy nisehatra tany Antsiranana: nodimandry i Johnny Bass de Madagascar

Maloka indray ny tontolon’ny mozika malagasy. Andrarezin’ny tendry gitara, indrindra ny gitara beso no lavo. Lasa nametraka tantara i Johnny. Toy ny vara-datsaka ny vaovao, ho an’ireo akaiky azy. Nodimandry omaly maraina Zafimahery Johnny, fantatry maro amin’ny anarana hoe Johnny Bass de Madagas­car. Araka ny fampitam-baovao voaray, avy nanatontosa fampisehoana […]

Tafika Malagasy: nahazo fiaramanidina avy amin’ny filoha Rajoelina Andry

Mahazo tombon-dahiny ha­trany ny Tafika ana habakabaka. Tonga soa aman-tsara eto Madagasikara, omaly, ny fiaramanidina LET-410 izay hampiasain’ny Tafika Malagasy. Nandray izany teny Ivato, ny filohan’ny Repoblika sady lehibe farantampon’ny Foloalin­dahy, Rajoelina Andry. Nano­lotra izany rahateo ho an’ny minisitera izy. Napetaka niaraka tamin’ izany ny fanevam-pirenena sy ny laharan’ny fiaramanidina […]