Mbola ao anatin’ny iray volana natokana ho an’ny teny malagasy i Madagasikara. Taona-1 ka hatramin’ny Taona faha-12. Tafiditra ao anaty fandaharam-pianarana ny taranja malagasy. Manomboka maraina ka hatramin’ny hariva, teny malagasy no ifampiresahana… fa mbola tsy mahay teny malagasy ihany ny taranaka malagasy… Satria ireo « mpampianatra » (mpampianatra any an-tsekoly, ray […]
Taratra
Pr Rakotondrajao Fanja: hamelabelatra momba ny sikidy sy ny tontolony
Tsy zava-maizina fa misy fanazavana. Misy fifandraisany amin’ny matematika, mety tsy voarain’ny rehetra kanefa tokony hianaran’ny rehetra ny sikidy. Mpampianatra mpikaroka izy. Manam-pahaizana manokana sy fanta-daza maneran-tany amin’ny matematika ny profesora Rakotondrajao Fanja. Ankoatra izay, nandalina manokana ny sikidy malagasy sy ny tontolony, ary efa namoaka voka-pikarohana mampifandray izany amin’ny […]
Fanatanjahantena indianina “Yoga”: nandray anjara ireo mpitondra fanjakana
Notontosaina teny Alarobia, ny sabotsy lasa teo, ny hetsika ara-panatanjahantena indianina, «Yoga», izay nokarakarain’ny masiovoho indianina eto Madagasikara. Mpitondra fanjakana maro no tonga teny an-toerana namaly ny antso tamin’izany. Anisan’izany ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny jeneraly Ravalomanana Richard, sy ny minisitry ny Fanatanjahantena sy ny tanora, (MJS), Marson Moustapha Abdulah. “Zava-dehibe […]
« Salon national des Sports 2025 »: hanentanana ireo tanora hanao fanatanjahantena
Hotanterahina etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny 28 – 30 jona ho avy izao, ny andiany voalohany amin’ny “Salon national des sports”. Hetsika tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fanatanjahantena. Nohazavain’ny tomponandraikitra teny Andraharo, omaly, fa tanjona ny hanentanana ny daholobe hanao fanatanjahantena. Eo koa ny ady […]
Mpandray fisotroan-dronono: hahazo 50 000 Ar avy amin’ny Cnaps
Ho fanamarihana ny asaramanitra, ny faha-65 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara, hotolorana vola mitentina 50 000 Ar ny zokiolona mpisitraka fisotroan-dronono ao amin’ny Cnaps manerana ny Nosy. Nisy solontena nandray ny vola mivantana teny Alarobia, omaly, izay natolotry ny minisitry ny Asa sy ny fampananana asa ary ny asam-panjakana, Razakaboana Hanitra. […]




