«Hapetraka eny amin’ny fokontany, manomboka amin’ny herinandro, ny filazana ny rafitry ny fitsinjarana ny rano mifandimby (tour d’eau) eto Antananarivo mba hahafahan’ny isan-tokantrano mandamina ny fotoanany manoloana ny fahasahiranana», hoy ny tale jeneralin’ny Jirama, Rasolomanana Hajatiana. Natao izany mba hiantohana ny fitsinjarana ara-drariny ny isam-paritra. Hatreto, tsy mbola nitombo ny […]
Taratra
Fankalazana JME : Fiaraha-miasa AJE sy ny Mesupres
Hiavaka! Mikarakara ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifaka (Mesupres). Nambaran’ny Talen’ny fanantanjahantena sy ny kolotsaina ao aminy, ny Dr Souleman, fa andiany voalohany ity hotontosaina ity, ary iarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka maro samihafa, toy ny Fikambanan’ny mpanao gazety mikirakira ny […]
Famatsiam-bola iraisam-pirenena : 2 miliara dolara tsy nampiasaina
Mavesatra loatra ny fikarakaran’ny fanjakana ny antontan-taratasy mahatonga ny vola avy amin’ny Vondrona iraisam-pirenena tsy nampiasaina ara-potoana. Mila havaozina ny fomba fiasa, raha ny fanazavan’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola. Nitatitra ny fihaonany tamin’ny Banky iraisam-pirenena (BM) sy ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI) tany Etazonia farany teo, omaly, ny minisitry […]
FANTINA sy FINTINA
Miompana amin’ny fanomezana malalaka ny vehivavy sy ny tanora hiditra anaty tontolo politika sy fampandrosoana ny firenena ny fanaovan-tsonia nandritra ny “Sommet Mahasaky Women and Youth”. Tafiditra ao anatin’izany ny demokrasia, ny fampandraisan’anjara ary ny fampivelarana ny tanora sy ny vehivavy. Mitaky ny hametrahana mazava ny drafitra itondrana ny Fanavaozana […]
Diplaomasia : Nampitoviana tadin-dokanga ireo ambasadaoro vaovao
Noraisin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i Alice N’Diaye, teny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Anosy, omaly, ireo ambasadaoro malagasy dimy vaovao voatendry tamin’ny filankevitry ny minisitra ny 28 avrily lasa teo. Eo ny ambasadaoro isany Rabemahefa Michel hiasa ny Frantsa; Randriamiandrisoa Edelin Calixte, any Soisa, sady solontena maharitra eo anivon’ny Firenena mikambana any […]




