Nametra-panontaniana momba ny Jirama ny avy amin’ny HVM. Nambaran-dRakotovao Rivo fa navelan’ny mpitondra ho potika efa ho enin-taona ve io orinasa io vao nandray fanapahan-kevitra nanova ny sata mifehy ny Jirama izy ireo. “Efa nihena hatrany ny ampaham-bola nomena ny Jirama ary lasa nandany volam-bahoaka fotsiny avy eo”, hoy izy. […]
Taratra
Fifaninanana karakarain’ny MFFT : Hisitraka 1 miliara Ariary ny tanàna madio
Anisan’ny nisongadina tamin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha, ny fampitana am-bava nataon’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Anisan’ny mandray anjara amin’ity fifaninanana tanàna madio sy maha te honina ity ireo kaominina isaky ny renivohitry ny faritra. “Tanjona ny hampandraisana anjara bebe kokoa ny vondrom-bahoaka […]
Aleo mangina
Anisan’ny vaovao mbola mahaliana sy be mpanaraka amin’izao fotoana izao ny mahakasika ilay fanapoizinana faobe teny Ambohimalaza fa tsy Imerinkasinina. Efa tafakatra 20 izao no namoy ny ainy, ary mainka mitobo ny marary miaina fahasarotana. Manoloana izany, mipetraka ny fanontaniana hoe: inona ny olana ao amin’ny hopitaly ao. Efa fantatra […]
Filoha Rajoelina Andry: “Valifatin’ny mpihavana ilay teny Imerinkasinina”
Nitondra fanazavana momba ny raharaham-pirenena ny filoha Rajoelina Andry. Anisan’izany ilay raharaha fanapoizinana nahafatesana olona 20 sy ny olan’ny Jirama ary ny fanamarihana ny fetin’ny 26 jona. Nambarany tamin’izany fa tsy maintsy ho hita ny marina amin’io Raharaha fanapoizinana nahafatesana olona io. Notantarain’ny filoha antsipiriany ny fizotry ny raharaha. “Efa […]
Vadintany : Miezaka mitsinjo ny maha olona
Nomarihina ny 12 jona teo, tao Toamasina, ny Andro maneran-tany ho an’ny vadintany. Nambaran’ny filohan’ny Holafitry ny vadintany sy ny mpanao lavanty, ny Me Rarivoarivony Hafa Fitiavana, fa tsy natao ho mpanatanteraka didy fotsiny izy ireo. “Mba mitsinjo ny maha olombelona koa izahay mialoha ny hanatanterahana didy”, hoy izy. Anisan’izany […]




