Miara-mientana! Taorian’ ireny fitsidihana nataon’ny Caf ny Kianja Barea, ny volana febroary teo, ireny, nilaza ny minisitry ny Fanatanjahantena sy ny tanora (MJS), Marson Moustapha Abdulah, afakomaly, tetsy Mahamasina, fa olana iray tsy nahazoana ny fankatoavana ny bozaka. Efa nankatoavin’ny kaonfederasionina afrikanina kosa ny singa valo tamin’ireo sivy notakiny hatramin’izay. […]
Taratra
Judo-Maneran-tany: Raraka teo amin’ny ampahavalon-dalana i Laura
Nifarana omaly ny fandraisana anjaran’ny judokas malagasy, Rasoanaivo Razafy Laura, tamin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, sokajy Seniors. Fifaninanana notontosaina tany Budapest, nanomboka ny faran’ny herinandro teo. Na dia raraka teo amin’ny ampahavalon-dalana aza i Laura, nampiaiky ny maro ny zava-bitany, nandritra ity fifaninanana goavana maneran-tany ity. Vao nanomboka ny […]
« Yas Coupe de Madagascar » : Natao antsapaka ny lalao ampahefa-dalana
Nanaitra ny maro ny naheno fa natao antsapaka indray ny lalao ampahefa-dalan’ny Yas Coupe de Madagascar. Efa fantatra mialoha ny ampahavalon-dalana teo anefa ny mpifanandrina ho an’ny tsirairay tafakatra amin’ny dingana manaraka. Fomban’ny tompom-baolina sa fandaminana? Natao antsapaka indray, omaly, teny Isoraka, ny lalao ampahefa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja baolina […]
INDRAY MIJERY
Tohana ara-tsakafo ho an’ny mpanala CEPE. Nahazo sakafo masaka sy mafana ireo mpianatra miisa 340 tao Tsiroanomandidy ka velom-pisaorana ireo ray aman-dreny. Nisy ihany koa ny fitsidihana ireo efitra fanaovana fanadinana niaraka tamin’ny ben’ny Tanàna sy ireo tomponandraikitra ao Ambatolampy. Nahazo mariboninahitra « Commandeur de l’ordre national malagasy” ny Pr […]
Iray volan’ny ankizy : Mila tonga saina ny ray aman-dreny
Nomarihina teny Ambohidratrimo ny hetsika nasionaly ho an’ny Iray volan’ny ankizy, omaly. Fotoana hampitana hafatra mivantana amin’ny ankizy, indrindra ny ray aman-dreny, hoy ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie. “Ray aman-dreny mandray andraikitra, ankizy voaaro sy mizaka ny zony”. Io ny lohahevitra amin’ity. Milaza hevi-dehibe izany. Satria, […]




