Herinandro sisa… 26 jona 1960- 26 jona 2025. 65 taona katroka ny niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Tsy mora ary maro ny dingana nolalovana. Fifampiraharahana no namerenan’i Frantsa ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Tantara.. Nambara teny Andohalo, tamin’ny 14 oktobra 1958, ny fijoroan’ny Repoblikan’i Madagasikara, na dia tsy mbola afaka aza tamin’ny fanjanahantany frantsay. […]
Taratra
VAOVAO TAMBATRA
Harenina ny Lakadranon’i Pangalana, haverina ny fifamoivoizana an-dranomamy, hampiroboroboana ny fizahantany. Haverina ny fifamoivoizana ana habakabaka isam-paritra mampifandray ny toerana misy fizahantany. Tohizana ny fametrahana ny Ofisim-paritry ny fizahantany. Anisan’ny paikady apetraky ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana ireo. Mamotika ny fihariana sy ireo mivelona amin’ny fanaovana sakafo ny […]
Base Toliara: Mitohy ny fanazavana ny tetikasa
Notohizan’ny tomponandraikitry ny Base Toliara ny fanazavana sy ny fifanakalozan-kevitra mahakasika ny tetikasa, tany amin’ny fokontany enina (Ankilimalinike, Tsianisiha, Antapoake, Ranobe, Tsiafanoky, Beravy Ambony), ao anatin’ny kaominina Ankilimalinike sy Tsianisiha. nohazavain-dResambany André, tale lefitry ny fifandraisana Base Toliara, ny lafiny ara-teknika, ny ambanin’ny tany, ny ara-tontolo iainana, sosialy sy toekarena, […]
Minaonaona tsy amin’antony
Anisan’ny firenena manana olona tia mimenomenona sy miresaka i Madagasikara. Raha vava aloha dia samy manana tokoa. Olombelona tompon’ny hevitra ihany koa satria dia tena mahay sy be atidoha. Tsy vitan’izay fa anisan’ny mponina tena fetsy na amin’ny tsara na amin’ny ratsy. Raha atao bango tokana, ampy ny hoenti-miatrika izao […]
Foire Internationale de l’Agriculture (FIA): Hanandratra avo ny famokarana sy ny sakafo malagasy
Hampiroborobo ny famokarana maharitra sy ny tolotra ary ny fahaiza-manaony mahakasika ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono ny FIA. Jerena manokana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpandraharaha ara-tsakafo mirona mankany amin’ny fampandrosoana ny vokatra malagasy. Hotanterahina ny 4 ka hatramin’ny 7 septambra, eny amin’ny CCI Ivato, ny « Foire internationale de l’agriculture » […]




