Voasambotry ny mpitandro filaminana eo anivon’ny zandrimaria Ampitatafika, ilay lehilahy nanindroana antsy ny sakaizany teo aloha, ny zoma 23 mey tolakandro teo. “Naharay loharanom-baovao izahay zandary eto an-toerana fa mihaodihaody ety io lehilahy io”, hoy ny fanazavan’ny lehiben’ny tobim-paritra Ampitatafika. Nidina ifotony tamin’ny toerana voalaza ho nisitrihan’io lehilahy namoahan’ny polisy […]
Taratra
Tsaralalàna : Lehilahy 66 taona namoy ny ainy
Nitsirara tamin’ny tany, tsy niverina intsony ny ain’ny raim-pianakaviana iray 66 taona tetsy Tsaralalàna, omaly tolakandro. Nitambotsotra tampoka io lehilahy lehibe io. Niezaka namonjy azy ireo nanatri-maso teo amin’ny manodidina. Namoy ny ainy anefa izy. Nahitana karapanondrom-pirenena teny amin’ io tra-doza io. Mponina avy any Ambatondrazaka izy, raha ny voalaza […]
Tanjombato : Vehivavy hita faty tao amin’ny ranon’Ikopa
Hita faty tao anatin’ny ranon’Ikopa, tetsy Tanjombato, omaly maraina, ny vehivavy iray 25 taona. Niala tao an-tranon’ ny ray aman-dreniny, teny an-toerana ihany, handeha ho any amin’ny namany izy, afakomaly, no izao hita faty izao. Vehivavy iray 25 taona, hita faty tao anatin’ny ranon’ Ikopa, tetsy Tanjombato, omaly tamin’ny 9 […]
Fanaovana voly mifandimby: Tokony hifanaraka amin’ny fiovan’ny toetr’andro sy ny toe-tany
Anisan’ny manimba ny tontolo iainana sy ny toe-tany ny fomba fambolena tsy misy fiovana mihitsy. Manampy betsaka ny tantsaha sy ny tanora malagasy hiditra sy hampivoatra ny teknikam-pambolena ny fikambanana GSDM. “Efa zatra ny fambolena nentim-paharazana ny tantsaha ka sarotra be mihitsy ny manova ny toe-tsain’izy ireo satria efa fomba […]
VAOVAO TAMBATRA
Hamokatra rano 4 800m3 fanampiny isan’andro ny “groupe de secours” hapetraka ao Nosy Be. Tanjona ny hamenoana ny tsy fahampiana 1 600m3 isan’andro ao an-toerana. Himasoana ihany koa ny fanoloana ireo paompy sy kojakoja efa simba. Havaozina ny rafitry ny famatsian-drano hanatsarana ny famokarana ao amin’ity nosy manitra ity. Tanterahana […]




