Nisy ny atrikasa natao tao Vakinankaratra, izay nifarana ny fiandohan’ny volana mey teo. Mamarana ny fihodinana nasionaly voalohany amin’ny fanatsarana ny COUSP isam-paritra na ny foibem-paritry ny vonjy taitra momba ny fahasalamam-bahoaka izany. Manamafy ny sehatra ara-pahasalamana i Madagasikara ka nanohy ny fananganana ivontoeram-piasana vonjy taitra momba ny fahasalamam-bahoaka. Hetsika […]
Taratra
“Médecine du sport et de dopage” : 31 mianadahy nahazo mari-pankasitrahana
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Andasibe, ny fizarana ny mari-pankasitrahana ho an’ireo mpiofana nanaraka ny “Cours national décentralisé en médecine du sport et de dopage”. 31 mianadahy no nahavita ny fiofanana ka notolorana izany mari-pankasitrahana izany. Tsiahivina fa efa nanomboka ny 22 mey teo ny fiofanana ka nisy ny […]
Yas Semi-Marathon Mada 2025 :Nanjakan’i Jean Claude sy i Marthe ny fifaninanana
Notontosaina omaly, teny amin’ny kianjan’Alarobia, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny hazakazaka lavitr’ezaka, «Yas Semi Marathon » andiany fahadimy, taona 2025. Nanjaka teo amin’ ny sokajy « seniors », ho an’ny alaviran-dalana 21 km, Rakotonirina Jean Claude, atleta lehilahy, avy amin’ny klioba AS Crown Antsirabe. Araka ny fanadihadiana natao, 1 ora sy […]
DAKA AN-JORONY: Rehefa tiana io mahavelon-tsioka
Samy manana lalao iraisam-pirenena avokoa ny taranja rugby sy ny baolina kitra ato ho ato. Efa samy manoman-tena fatratra amin’izany avokoa ny andaniny sy ny ankilany. Ny baolina kitra hanafika any ivelany, saingy fihaonana fitsapana ny azy ireo. Ny an’ny baolina lavalava indray fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny […]
Karate-Africa Cup JKA : Nahazo medaly volamena 2 sy alimo 1 ny Malagasy
Malagasy mpikatroka mirahalahy no nisolo tena an’i Madagasikara, nandritra ny fiadiana ny amboaran’i Afrika JKA, taranja Karate. Fifaninanana notontosaina tany Afrika Atsimo. Tsara ny vokatra ho an’ny solontena malagasy, niatrika ny fiadiana ny amboaran’i Afrika eo anivon’ny JKA (Japan Karate Association), natao tany Afrika Atsimo, ny faran’ny herinandro teo. Medaly […]




