Taratra

Fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny COI: Hametraka fepetra fandaminana maharitra ny CUA

Nihaona tamin’ny mpanao gazety ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Ramanantsoa Harilala, sy ireo mpiara-miasa aminy. Anisan’ny navoitrany tamin’izany ireo asa sy hetsika tanterahin’ny CUA, amin’izao fotoana izao. Nambarany tamin’izany ary mbola nampahatsiahiviny ny lalàna sy fitsipika efa misy sy mifehy ny eto amin’ny tanànan’ Anta­nanarivo Renivohitra. ” Efa mipetraka izany ka […]

TSELATRA

Lehilahy iray tratra nangalatra jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro tetsy Ampefiloha, omaly. Tratran’ny polisim-pirenena nanao fisafoana teny an-toerana tamin’ny 4 ora sy 20 minitra izy io. Nentina avy hatrany teny anivon’ny paositry ny polisy izy nanaovana fanadihadiana. Mbola karohina ny namany hafa manao izao asa ratsy izao. Naiditra am-ponja eny […]

Tsaratanàna: Mpaka an-keriny roa lahy maty voatifitra

Lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana ny mpaka an-keriny roa lahy tao Ambohi­tranivo, kaominina Manakana Vohimbohitra, distrikan’i Tsa­ratanàna, ny 15 avrily teo. Naka takalonaina saingy tsy nahatontosa izany, tao amin’ny fokontany Ambohitrarivo, kaominina Brieville, ireo olon-dratsy ireo, ny 6 avrily. Na­mono olona tamin’ny fanafihana tao amin’ny fokontany Mandribe, ny 11 febroary lasa […]

Mpamatsy basy dahalo : Ombiasy sy olona roa naiditra am-ponja

Lehilahy mpanamboatra basy vita malagasy maty voatifitra ary olona telo voasambotra ka notanana am-ponja ao Faranfangana, ny alarobia 16 avrily teo. Nahazoan’ny zandary alalana ho savaina fa nampiahiahy ny tranon’io raim-pianakaviana io, tao Lokandambo, kaominina Anosivelo, ny 11 avrily lasa teo. Trano roa voasava tamin’io fotoana io ka nahatrarana fitaovam-piadiana […]

Nanolana nandritra ny herintaona : Raikely naiditra am-ponja eny Tsiafahy

Voasambotra tamin’ny alahady ilay raikely, nanolana ny zana-badiny, teny Ambohimamory Itaosy. Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy izy, taorian’ny fitoriana napetrak’olona tsara sitrapo iray. Nanomboka ny taona 2024 ity ankizivavy ity no niharan’ny fanararaotana ara-nofo nataon’ny raikeliny. Noheverin’ny maman’ ity zaza fa mifankahazo am-po izy mianaka ka tsy nanampo na inona […]