Nampahafantarina, teny Ivandry, afakomaly, ny « Asynchrone – Async », iarahana amin’ny “Bureau international de consultation en informatique-Bici”. Fampiarahana ny “Intelligence artificielle – IA” hiasa anatin’ny antontan-kevitra sy antontam-baovao na «Système d’information » iasan’ny orinasa izy io. Hanamora ny fitantanana orinasa ny fampiarahana izany mba hiasa miaraka amin’ny fikirakirana ara-bola, […]
Taratra
Tetibola sy ny fananan-tany : Nofanina ireo ben’ny Tanàna any Andilamena
Notanterahina ny alarobia teo ny fanentanana momba ny Birao solontenan’ny fananan-tany iraisana (BSFI) any amin’ny distrikan’Andilamena. Teo koa ny fanofanana ireo mpitantana ifotony. Anisan’ny nampahafantarina tamin’izany ny momba ny fametrahana ny BSFI, iarahana amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Nandray anjara tamin’izany ny depioten’Andilamena, ny governoran’ny faritra […]
INDRAY MIJERY
Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny fampahafantarana ny tetikasa “Projet tanora mahefa (Protama) vatsian’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad) vola, ho fanamafisana ny traikefan’ireo tanora. Tanjon’ny tetikasa ny hanatsara ny fampiofanana ireo tanora ho tena matihanina, mifanaraka amin’ny filan’ny tontolon’ny asa sy mifandray amin’ireo sehatra stratejika amin’ny toekarena malagasy toy […]
Fampianarana ambony: Mangataka vatsim-pianarana nefa tsy mpianatra
Nahafantarana ny fisian’ny olona mandray vatsim-pianarana kanefa tsy ao anatin’ireo lisitra tokony hisitraka izany ny fidinan’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa mivantana teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Efa tsikaritra ny tsy fahatomombanana ka izany no anton’ny fanamarinana teny ifotony ary voaporofo fa misy ireo olona ao amin’ny fakiolten’ny Siansa […]
Oniversite : Misaraka ny fianarana dokotera sy paramedy
Nampahafantatra ny tomponandraikitra voalohan’ny Holafitry ny infirmiera sy ny sage femme (Conim), fa efa misaraka ny fampianarana mahakasika ny paramedy sy ny dokotera eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo manomboka izao. Fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny fivoriana niarahan’ny roa tonta izany. Nisy ny fifampiresahanay tamin’ny sojaben’ny fakiolten’ny Fampianarana ho dokotera eto Antananarivo ka mizotra […]




