Mahakivy tanteraka ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Isan’andro vaky no handrenesana sy ahitana faty olona etsy, razana eroa. Mitsitsitra sanatrian’ny vava, tsy misy vidiny ny ain’olombelona. Ny tena mampihaiky volana dia ity fomba feno fahasahiana sy feno habibiana hataon’ny olon-dratsy. Ankoatra ny fantatra mazava ny antony dia mampiahiahy ny […]
Taratra
Fihaonana an-tampon’ny COI: Eo amin’ny dingana famaranana ny fikarakarana
Andro isaina sisa ny fandraisan’i Madagasikara ny fihaonana an-tampony V eo anivon’ny COI. Amin’izao, eo amin’ny dingana famaranana ny fikarakarana ankapobeny. 12 andro sisa… “Eo am-pamaranana ny fanomanana isika ankehitriny. Efa milamina avokoa ny lafiny arofenitra, ara-pitaovana… Dingana famaranana ny fikarakarana amin’ny ankapobeny”. Io ny nambaran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata […]
TSELATRA
Toeram-pivarotana iray ao amin’ny fokontany Maharavo, Ambohidratrimo, notafihan’ny jiolahy afakomaly alina, tamin’ny 10 ora sy sasany. Lasan’ireo jiolahy, nandritra izany, ny vola 2 tapitrisa Ariary. Naratra mafy vokatry ny vono nahazo azy kosa ny raim-pianakaviana tao an-trano. Andian-jiolahy am-polony nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika no nanao ny asa ratsy. Nopoirin’ny jiolahy […]
Fakana an-keriny tsy tanteraka: Renim-pianakaviana avotry ny zandary
Ravan’ny zandarimaria sy ny polisy, niampy ny tolo-tanan’ny fokonolona, ny fakana an-keriny nitranga tao Ambatoharanana, kaominina Tsaratanàna, ny alin’ny alakamisy 9 avrily teo. Dahalo efa-dahy nirongo fitaovam-piadiana, niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray, tao amin’io fokontany io. Nalain’izy ireo, tamin’izany, ny renim-pianakaviana iray 50 taona. Nokasain’ireo olon-dratsy hoentina mandositra hatao takalonaina […]
Nifandona tamin’ny dahalo : Mpanara-dia maty, zandary iray naratra
Namoy ny ainy taorian’ny fifandonana tamin’ny dahalo ny iray tamin’ny fokonolona ary naratra voan’ny bala ny zandary iray tao amin’ny kaominina Beraketa, distrikan’i Bekily, omaly maraina. Nanafika tao amin’ny tanànan’i Benato ny andian-dahalo nitam-piadiana. Nanidy ny kizo avy hatrany ny zandary nampian’ny fokonolona tao amin’ny kizo Ampasimaiky. Nifanehatra tamin’ireo dahalo […]




