Taratra

67 ha Avaratra Atsinanana: lehilahy lehibe maty teo am-pilalaovana daomy

Maty teo am-pilalaovana daomy ny raim-pianakaviana iray, omaly hariva, teny 67 ha Avaratra Atsinanana. Haka rivotra no nivoahany ny trano kanefa vatana mangatsiaka no niverina tamin’ny fianakaviana. Namoy ny ainy teo am-piarahana tamin’ny namany nilalao daomy ny raim-pianakaviana iray, omaly. Teny amin’ny fokontany 67 ha Avaratra Atsinanana no nitrangan’izany, tokony […]

MECC 2025: Hanokatra varavarana ho an’ny fifanakalozana lovainjafy

Hotanterahina ny 28 avrily ka hatramin’ny 10 mey ny « Mission économique et commerciale au Canada » (MECC) andiany fahenina. Hetsika karakarain’ny Chambre de commerce et de coopération Canada-Madagascar (Can-Cham). « Tanjona ny hampiroborobo ny fiaraha-miasan’ny sehatra tsy miankina amin’ireo tera­tany kanadianina. Hampaha­fantatra ihany koa ny vokatra sy ny fahaiza-manaon’ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Notsidihina ny ampahan-dalana RN 5 eo anelanelan’Antalaha sy Marofinaritra. Nanatanteraka izany ny ekipan’ny minisiteran’ny Asa vaventy, ahafahana mijery ny fanatanterahana ny « Lalan’ny masoandro », vinan’ny filoham-pirenena. Mirefy 2 000 km ity lalana ity, mampitohy ny any avaratra hatrany atsimon’i Madagasikara. Mitotaly 159 000 ireo mpandeha fiaramadina nandritra ny roa volana voalohan’ny taona ka […]

Antenimieran’ny Varotra : Manohana ny Base ny mpandraharaha any Toliara

Nihaona tamin’ny mpikambana ao anatin’ny Ante­ni­mieran’ny Varotra sy ny indostria (CCI) Toliara ny orinasa Base Toliara, tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Naneho ny fahavononany hiara-kiasa akaiky amin’ny Base Toliara ny mpandraharaha any an-toerana. Noha­zavain’ny tomponandraikitry ny orinasa ny Drafitrasam-pampandrosoana entiny any amin’ireo kaominina voakasika. Notsipihin’ny Talen’ny fi­fandraisana ivelany, Base Toliara, Mahafaritsy […]