Hotanterahina ny 17 ka hatramin’ny 24 mey, eto Antananarivo, ny « Festival de la nature » andiany voalohany, karakarain’ny Cetamada. Soatoavina lehibe napetrak’izy ireo ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny tontolo an-dranomasina. Tao anatin’ny 10 taona, natao tany amin’ny Nosy Boraha hatrany ny fankalazana ny « Festival de la nature » ka nahafahana […]
Taratra
Ady amin’ny jono tsy ara-dalàna: Natsangana ny drafitrasam- pirenena 2025-2029
Tafapetraka ny Drafitasam-pirenena ataon’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny jono tsy manara-dalàna, tsy voafehin-dalàna (pêche INN) ho an’ny dimy taona manaraka (2025-2029). Hanohana antsika amin’ny fanatanterahana ny asa rehetra ny Sadc. Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny Drafitrasam-pirenena amin’ny ady amin’ny jono tsy manara-dalàna, tsy voambara, ary tsy voafehin-dalàna (Pan INN) […]
Fanamby goavana: Hisitraka herinaratra ny 80% ny Malagasy amin’ny taona 2030
Vahaolana maharitra ny famokarana angovo azo havaozina avy amin’ny tohodrano sy ny masoandro. Miisa telo ny tetikasa tena goavana, ankoatra ireo tetikasa madinika. Mitotaly 497 MW ny vokatra herinaratra eto Madagasikara tamin’ny taona 2023. Avy amin’ny tohodrano ny 250 MW amin’ireo, avy amin’ny herin’ny masoandro ny 130 MW, mandeha amin’ny […]
TARATRY ny KANTO
Ho avy indray eto Madagasikara ny tarika Exo. Hanatontosa seho 3 lehibe izy ireo, ka ny voalohany ny 1 mey, ao amin’ny CCI Ivato. Ao Antsahamanitra izay toerana efa mahazatra azy ireo kosa ny seho faharoa, ny 3 mey. Any Toamasina ny seho fahatelo, ny 9 mey, ao amin’ny CRJS. […]
Fanabeazana sy fitaizana : Miteraka resabe ny fikapohana zaza
Iray amin’ireo firenena niaina sy nobeazina hanaraka ny lamina voajanahary ny Malagasy. Aminy, tsy misy raikipohy nomena tany an-tsekoly na nandramana tany amina toerana fanaovana izany, fa ny voajanahary no narahina. « Ny zaza tiana tsy hitsitsiana rotsankazo », hoy izy. Miteraka resabe izy io tato ho ato. Misy ireo ray aman-dreny […]




