Efa eo amin’ny andiany faharoa ny fampiofanana ho an’ireo mpampianatra karate, hahazoana ny mari-pahaizana DAF(Diplôme d’animateur fédéral). Mpiofana 16 mianadahy no manaraka izany, nanomboka ny alahady lasa teo. «Haharitra dimy herinandro eo ny fiofanana hatrehan’ireo mpampianatra ny taranja karate , andiany faharoa ireo » hoy ny filohan’ny Federasionin’ny karate-do malagasy (FKM), Ratefinanahary […]
Taratra
Fizahantany : An-jatony ny handray anjara amin’ny ITM 2025
Natao sonia, omaly, ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny Ofisim-pirenena ho an’ny fizahantany eto Madagasikara (ONTM) sy ireo mpiara-miombon’antoka, handray anjara amin’ny “International Tourism Fair Madagascar (ITM) 2025”. Nitarika ny fotoana ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny asa tanana, Dewa Viviane, sy ny tale jeneralin’ny ONTM, Barivelo Danny. Andiany faha-11 […]
Nosy Sakatia : Hanohy ny asany araka ny lalàna ny MFFT
Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), afakomaly, manoloana ny hetsika fanakorontanana momba ny Nosy Sakatia-Ampasindava. “Manamafy ny MFFT fa hanohy ny asany araka ny lalàna sy hanampy amin’ny fampanjakana ny filaminana sy fanjakana tan-dalàna amin’ny sehetry ny fananantany.” Io ny fampahafantaran’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana […]
VAOVAO TAMBATRA
Tafakatra 5 000 Ar ny sandan’ny euro eo amin’ny tsena fifanakalozam-bola iraisam-pirenena. Tsy mitsaha-mitontogana ny vola malagasy. Omaly, nisanda 5 001,53 Ar ny euro ary 4 628,41Ar kosa ny dolara. Tsy mifandanja ny fivezivezen’ireto vola vahiny ka mahatonga ny vola euro midangana. Ambany ny toekarena malagasy ka misongadina ny vokatra […]
Ecoles internationales Maarif-Madagascar: Fahombiazana ny « Salon de l’orientation »
Tratra ny tanjona ho an’ny écoles internationales Maarif- Madagascar nandritra ny «Salon de l’orientation» andiany voalohany, ny herinandro teo. Tafakatra 1 000 ireo mpianatra avy amina Lycée samihafa, avy eto an-drenivohitra sy Ambohidratrimo namonjy ny hetsika. « Talohan’ny hairanty natao, nisy ny fampahafantarana an’ireo mpinanatra ny tontolon’ny asa izay niarahana […]




