Andiany fahafolo sahady. Tsy nitsaha-niakatra ny lentan’ny hetsika « Fianar Reggae Festival ». Efa misokatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ny any ivelany izany ankehitriny. Manana ny toerany ny mozika reggae eto Madagasikara. Hetsika anisan’ny ngeza indrindra aty sy manerana an’i Afrika ny «Fianar Reggae Festival», izay miditra sahady amin’ny andiany faha-10 amin’ity taona ity. […]
Taratra
FANTINA sy FINTINA
Naneho ny heviny ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny, manoloana ny hetsika niseho tany Toliara. ” Natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany fa tsy handratra sy hamono vahoaka ny mpitandro filaminana. Manameloka ny herisetra niteraka faharatrana ho an’ireo nitaky ny zony izahay”, hoy izy. Nitsidika ireo naratra ireo depioten’ny Firaisankina tamin’izany. […]
Depiote maro anisa : “Takinay ny hanasaziana ireo mpanakorontana”
Hentitra ary nahitsy ireo depiote maro anisa eo anivon’ny Antenimierampirenena, miaraka amin’ny birao maharitra manoloana ny tranga niseho tany Toliara, ny faran’ny herinandro teo. “Tsy azo ekena ny fanakorontanana ara-politika atao eto amin’ny firenena ka hialokalofana amin’ny filazana ho fiarovana ny vahoaka nefa fikasana ho amin’ny fanonganam-panjakana no ao ambadik’izany […]
Mila mijoro
17 andro sisa dia higadona ny fihaonambe an-tampon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina, hatao eto Madagasikara. Efa anatin’ny fanomanana tanteraka i Madagasikara, mpampiantrano. Raha ny pitsopitsony mahakasika ny fivoriana, ny fikarakarana ny foto-drafitrasa isan-karazany dia mandeha araka ny tokony ho izy avokoa. Miavaka ny fiaraha-mientan’ny governemanta sy ny mpitondra. Etsy ankilan’izany […]
Fivahinianana eto Madagasikara : Hihaona eny Andafiavaratra ny filoha Rajoelina sy i Macron
Efa manomboka ampahafantarina tsikelikely ny momba ny fitsidihan’ny filoha frantsay, Emmanuel Macron, eto Madagasikara, ankoatra ny fanatrehany ny fihaonana an-tampon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI). Fantatra izany, araka ny nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina sady mpitondra tenin’ny governemanta, Mara Volamiranty Donna. “Hotanterahina ao amin’ny Lapan’ Andafiavaratra ny fihaonana eo […]




