Nataon’ny mpitandro filaminana hazalambo, tanaty haizina, ny andian-dahalo mpaka an-keriny tao amin’ny fokontany Ambohitranivo, kaominina Brieville, distrikan’i Tsaratanàna, afakomaly alina tamin’ny 10 ora sy 45 minitra. Dahalo enin-dahy, nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika niditra an-keriny tamina tokantrano iray. Tsy nisy alaharo, nanambana basy ary naka ilay raim-pianakaviana 35 taona tao amin’io […]
Taratra
Raharaha fitsaram-bahoaka : Naiditra am-ponja ny dimy voarohirohy
Naiditra vonjimaika am-ponja any Ambalatavoahangy ireo olona dimy voarohirohy tamin’ny famonoana ilay tovolahy 21 taona (Sergino), maty niharan’ny fitsaram-bahoaka tany Toamasina, ny alarobia 2 avrily lasa teo. Eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana kosa ny telo mianadahy ambiny, anisan’izany ny sefo fokontany ao Mangarivotra Avaratra, Parcelle 11/14. Fantatra ireo taorian’ny fiakarana’izy ireo […]
Fifaninanana hazakazaka : Atleta maty latsaka tany anaty hantsana
Maty teo am-pifaninanana mihazakazaka, afakomaly, ny atleta iray. Tsy niara-tonga tamin’ny mpifaninana izy tamin’ny fotoanan’ny famaranana, namoy ny ainy. Nianjera tampoka avy eny ambony hantsana, namoy ny ainy, ny iray tamin’ireo mpifaninana nandray anjara tamin’ny hazakazaka “Trail Ibity andiany faha-9”. Nitranga izany tao amin’ny amin’ny fokontany Ambarinakanga, kaominina Ibity, distrikan’Antsirabe […]
Kly Randriampeno Sammy: “Mitady hanjaka ny fitsaram-bahoaka”
Nambaran’ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandarimaria ao Vakinankaratra, ny Kly Randriampeno Sammy, fa azo ihorianana ny fandriampahalemana any an-toerana. Anisan’izany ny any amin’ny distrikan’i Mandoto. Efa voafehy izany izao. “Mitady hahazo vahana kosa anefa ny fitsaram-bahoaka sy ny fanolanana. Efa nomena baiko ireo zandary mba hanao fanentanana sy hampianatra ireo vahoaka any […]
Fiadiadiana ny Repoblika sy ny fikambanana Dawoodi Bohra : Nanolotra fanampiana ho an’ireo voafonja
Nanolotra fanampiana ara-tsakafo ho an’ireo voafonja etsy Antanimora, ny sabotsy 05 avrily 2025 teo, ny sampandraharaha misahana ny sosialy eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Nitarika ny hetsika, teny an-toerana, ny tale Amidjee Raharinoro Roumana, sy ireo mpiara-miombon’antoka, mpikambana eo anivon’ ny Communauté Borha eto Madagasikara Tafiditra ao anatin’ny famaranana ny […]




