Taratra

Vakinankaratra : Hirosoana ny famatsian-drano fisotro madio

Vita ny fanadihadihana savaranonando ahafahana miroso amin’ny asa rehetra ho fanavaozana sy fanatsarana ny fampisitrahana rano fisotro madio izay voasokajy ao anatin’ny tetikasa PAAEP ho an’ ny faritra Vakinankaratra. Din­gana sy fidinana ifotony maro tamin’ireo toerana voakasika no natao ka nampahafantarina sy nanaovana tatitra tamin’ ireo tomponandraikitra eny ifotony sy […]

Vohipeno : Novangina ny akany mitaiza ankizy marefo

Akany Ambohimanantenasoa, ao amin’ny kaominina ambanivohitra Andemaka, sy ny akany Preventium, ao amin’ ny kaominina ambanivohitra Ifatsy, no notsidihin’ireo tomponandraikitry ny minisiteran’ny Mponina ao Vohipeno, ny faran’ ny herinandro teo. Mandray an-tanana ireo ankizy manana fahasembanana ara-batana miisa 150 ny akany Ambohimanantena. Miandrai­kitra manokana ireo ankizy tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo miisa […]

Tetikasa « Zara mira » : Ankizy 68 000 hahazo tombontsoa amin’ny tohana ara-bola

Hiara-kiasa hanatsara ny tontolo hivoaran’ny ankizy isan-tokatrano ny Unicef sy ny Vondrona eoropeanina. Napetraka ny fandaharanasa « Zara mira » mandritra ny telo taona, ao Atsimo Atsinanana. Natomboka ny faran’ny herinandro teo ny fandaharanasa « Zara mira », fanomezana tohana ara-bola ho an’ny ankizy tanterahin’ny Unicef ho an’ny faritra Atsimo […]

Tournoi député Fidy : Nafana ny manasa-dalana omaly

Notanterahina omaly, teny amin’ny Kianja zaridainan’Ikopa Anosizato, ny lalao manasa-dalan’ny fifaninanana inter-fokontany, izay karakarain’ny solombavambahoakan’ny boriborintany fahefatra, Rafidimanana Désiré, na fantatry ny rehetra amin’ny anarana hoe député Fidy. Tafita hiatrika ny famaranana amin’izany ny ekipa avy any Ambohibarikely sy ny avy etsy Madera Namontana. Araka ny vokatra azo omaly, lavon’ny […]

« World Cola PFL »: Lavon’ny Fosa Juniors ny CFFA

Notanterahina ny faran’ny herinandro teo ny andro fahasivin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, “World Cola PFL “. Anisan’ny fifanandrinana tena nandrasan’ny maro tamin’ny omaly, teny Iavoloha, ny lalaon’ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Fosa Juniors Boeny. Nison­gadina ny ekipan’ny Boeny tamin’izany, lavon’izy ireo tamin’ny isa 1 no ho 0 ny mpilalaon’Ando­haranofotsy. […]