Taratra

VAOVAO TAMBATRA

Mitaraina manoloana ny fiakaran’ny vidin’ny solika fandrehitra ireo mampiasa izany. Voatery mampihena ny vokatra jifainy ireo mpividy. Ao koa ireo nisafidy hanajanona tanteraka izany ka hiverina hampiasa ny arina fandrehitra, izay tsy mitsaha-miakatra isan-taona sy mamotika ny tontolo iainana. Mitentina 8 tapitrisa dolara ny tetibola ilain’i Madagascar Airlines ho an’ny […]

« Branchement mora »: Very anjavona ny fanatanterahana izany

Mikatso ny fametrahana ireo kaontera ho an’ny « Branchement mora », tetikasam-panjakana ao Toamasina. Mikatona ny magazay, tsy misy ny entana mivoaka. Tsy nandray karama ko any mpiasa miisa 40 tao anatin’ny roa taona. Voalaza fa ifampizarana orinasa maro ny fanatanterahana ny tetikasa. Ny orinasa Holley Technology, tantanina teratany vahiny, no nahazo […]

Base Toliara : « Hanome asa 4 600 ny orinasa », hoy ny tale jeneraly

Tanjon’ny Base Toliara ny hisitrahan’ny mponina any ifotony ny vokatry ny fitrandrahana ataony. Anisan’izany ny famoronana asa. Tany amin’ny 40 taona lasa tany no nisy orinasa indostrialy farany tany Toliara (Sumatex, Toly, orinasa manodina menaka, hasy, sns), saingy efa nikatona avokoa. Araka ny antontanisa, manodidina ny 3 000 ny fitambaran’ny isan’ny […]

INDRAY MIJERY

Marihina anio, eny amin’ny Kianjan’Ambohi­man­gakely, ny Andro maneran-tany natokana ho an’ny fahasalamana. Hetsika maro no hiseho eny an-toerana ka homena lanja manokana ny reny sy ny zaza. Hisy ny fanaovam-baksiny ho an’ny zaza. Eo koa ny tolotra fandrindram-piterahana ho an’ny ray aman-dreny sy ireo rehetra vonona hanao izany. Noraisin’ny tale […]