Notanterahina omaly ny fihaonana isam-bolana eo amin’ny mpanao gazety sy ny fiadidiana ny faritra Vakinankaratra. Anisan’ny nitondra fanazavana ny talem-paritry ny Asa vaventy, Raselison Arséne. “Miroso ny asa fikojakojana ny lalam-pirenena fahafito (RN7)”, hoy izy. Eo koa ny fanamboarana ny lalana eo Antsirabe sy ny ao Ambatolampy. Nohazavainy ireo lalana […]
Taratra
Loholona Tsiebo Mahaleo : “Lonilony politika ny fanoherana ny Base Toliara”
Nitondra fanazavana sy ny fahitany ny firosoan’ny tetikasa Base Toliara ny loholona Tsiebo Mahaleo. Nohitsiny tamin’izany ny avy amin’ny mpanohitra. “Lonilony politika sy alahelon-tseza ary fitadiavana tombontsoa manokana no ambadiky ny fanoherana ny tetikasa Base Toliara. An’ny kaominina dimy voakasik’io tetikasa io, vahoaka atao hoe 90 % dia manohana ary […]
VAOVAO TAMBATRA
Hisy ny « Train pascal » hampitohy an’i Fianarantsoa sy Sahambavy, ny alatsinain’ny paka. Iray ihany ny fiaingana, amin’ny 9 ora maraina, ary hiverina amin’ny 4 ora hariva ny lamasinina. Hampitohy ny garan’ ny FCE sy Beravina amin’ny saran-dalana 2 000Ar mandroso sy miverina kosa ny « petit train », […]
Fivoriambe COI : Miara-miasa ny minisitera MAE sy ny Axian
Natao sonia omaly, teto Antananarivo, ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny (MAE) sy ny vondrona Axian, amin’ny alalan’ny orinasa Yas Madagasikara sy ny Jovena. Voafaritra ao anatin’ny fifanarahana ny fanohanana ara-pitaovana sy ara-teknika, mba hizotra araka ny tokony ho izy ny Fivoriambe an-tampon’ny ranomasimbe Indianina (COI) andiany fahadimy, eto Antananarivo. Ao anatin’izany […]
Faritra Anôsy : Misokatra ny masoivohon’ny EDBM
Tafapetraka amin’ny fomba ofisialy ny masoivohon’ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM) ho an’ny faritra Anôsy sy Androy. Hetsika hanakaikezana ireo orinasa sy ireo mpitondra tetikasam-pampiasam-bola. Tanjona ny hanomezana tantsoroka ny fandraharahana sy ny fampiasam-bola hampandrosoana ny toekarena sy ny fandraharahana. « Manana loharanon-karena voajanahary sy harena araka olona ary […]




