Taratra

« Efa ela loatra… » : Tsy nifankafoy ny Olom- belo Ricky sy ny mpankafy

“Efa ela loatra…”, tsy nihaonana tokoa ny Olombelo Ricky sy ny mpitia zavakanto. Io hetaheta ny hifanatri-tava io no nomena lanja lehibe tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Imahamasina, omaly. Ny figadon’ny zavamaneno eny am-boalohany dia efa fitarihan-dalana hampahatsiahy ny tany amin’ny dimy amby efapolo taona lasa. Nanamarika hatrany […]

Salomon sy Henri Ratsimbazafy: Seho sarotra hadinoina ny « Feo roa tafaray »

Manana ny akony lehibe eo amin’ny tontolon’ny hira malagasy ny “Feo roa tafaray”. Fiakaran-tsehatr’i Henri Ratsimbazafy sy i Salomon… “Raiben’ny kanto malagasy”. Io ilay anarana nasalotra an’i Salomon sy i Henri Ratsim­bazafy, raha nanatanteraka ilay seho “Feo roa tafaray”, omaly tolakandro, tetsy amin’ny CCEsca Antanimena. Noporofoin-dry zareo tokoa izany. Feo […]

FANTINA sy FINTINA

Efa navoakan’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana ny fampahafantarana ho an’ireo maniry ho mpikambana eo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena momba ny zon’olombelona na CNIDH. Hotan­te­rahina ny 15 mey izao, eny Faravohitra, ny fifidianana ny ho solontenan’ny fiarahamonimpirenena ho mpikamban’ny CNIDH. Nosalorana samboady ny zoma teo ireo ben’ ny Tanàna miisa 25 […]

Fanatsarana fomba fiasa : fitsarana tsy mitanila sy mahaleo tena

Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, tao Miandri­vazo, ny fametrahana ny filohan’ny fitsarana any an-toerana, Randriamboavonjy Caëtha Zo Maharitra. Nofariparitany tamin’izany ny tetikasany. Nambarany fa hiezaka ny tenany hametraka fitsarana tsy mitanila sy mahaleo tena. “Hapetratsika koa ny fitsarana lavitry ny kolikoly ary fitsarana manakaiky vahoaka”, hoy izy. Nanteriny fa hatao […]

Habibiana!

  Mampihorin-koditra, mampitampim-bava… Tsy inona fa ny tsy fandriampahalemana tato ho ato izay. Vono olona, fanolanana… Efa tena tsy mifaditrovana ny olon-dratsy? Tsy matahotra an’Andriamanitra, tsy mataho-tody… Efa tsy mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy: tsy mihevi-tena ho olona fa biby, tsy mihevitra ny hafa ho olona? Mila handeha […]