Taratra

Praiminisitra Ntsay Christian : “Tsy handeferana ny tsy fandriampahalemana”

Hentitra ny Praiministra Ntsay Christian, tany Toamasina, ny faran’ny herinandro teo. Notsindriny mafy ny momba ny tsy filaminana sy tsy fandriampahalemana. “Nisy ny fivorian’ny OMC nasionaly, ni­jery manokana ny momba ny filaminana sy ny fandriampahalemana eto an-tampon-tanànan’i Toamasina I sy ny manodidina.” hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian, ny amin’ny fivorian’ny […]

TSELATRA

Lehilahy lehibe iray 55 taona nosamborin’ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria Ambohijatovo, ny sabotsy vao maraina, tamin’ny 04ora. Tratra teo am-pamakiana trano teny Ambohitsoa izy io. Nahatsikaritra lehilahy iray mampiahiahy tao amin’ny tokantrano iray tetsy Ambohitsoa ny vaomieran’ny fandriampahalemana. Tonga teny an-toerana ny polisim-pirenena taorian’ny antso. Lavon’ny balan’ny polisy ny […]

Jiolahy mpampihorohoro: Lavon’ny balan’ny zandary i Sambitanae

Lavon’ny balan’ny zandary omaly tamin’ny 11 ora maraina ny jiolahy raindahiny antsoina hoe: Sambitanae. Anisan’ireo dahalo mpampihorohoro ny mponina any an-toerana izy io. Nahazo antso avy tamin’ny ben’ny Tanàna tany Ankiririky ny Zandary, omaly tamin’ny 10 ora maraina. Fantatra fa mihaodihaody ao amin’ny fokontany Ankiririky III ity olon-dratsy ity. Miantso […]

Ambohidrapeto : Lehilahy nanambana basy voasambotra

Notanan’ny zandary ny lehilahy nahatrarana basy teny amin’ny fokontany Ambo­diampanga Antanetibe, Am­bo­hi­dra­peto, distrikan’Atsimondrano, ny 3 avrily tamin’ny 7 ora sy sasany hariva. Nitrangana fifamaliana teo amin’io lehilahy io sy ny olon-tsotra hafa. Tsy nijanona tamin’ny fanaovana vava sy fampitahorana izany. Nandra­hona hamoaka fitaovam-piadiana ilay lehilahy. Nam­banany tamin’ny basy tokoa ilay […]

Avy nandevina, nisasa teo Ampasika: mianaka niara- maty an-drano

Maty an-drano, omaly, i Thierry, mpihira tao amin’ny Zaza Kanto. Nanavotra ny dadatoany izy no niara-nalentik’Ikopa, teny Ampasika. Tra-doza nandritra ny fisasana vao avy nandevina ny nenitoany izy ireo. Olona mianaka, raim-pianakaviana 45 taona, sy tovolahy iray 17 taona, niara-maty an-drano tetsy Ampasika, omaly tolakandro. Maty tamin’ny herin’ny omaly ny […]