“Raha tsy voasoroka hatrany amin’ny fotony, tsy voavaha io olana io. Eo ny tsy fisian’ny famoronana asa. Mihalava ny hantsana mampisaraka ny manan-tsaina sy ny mahantra”. Io ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny antoko Vahoaka miray (Vami), Rakotondrazanany Gabriel Harisoa na i Gaby Vakiniadiana, momba ny tsy fandriampahalemana amin’izao. Tsy miasa […]
Taratra
Miara-mirona
Anisan’ny manamarika ity herinandro vaovao ity ny fiverenan’ny fitiavan’ny Malagasy ny taranja baolina kitra. Na inona na inona vokatra nivoaka dia mazava fa tanatin’ny firaisam-po sy saina tanteraka no niarahana niaina ny lalao indroa miantoana nataon’ny Barean’i Madagasikara. Tena hoe niara-nirona tokoa. Baolina aloha izay no vita, mbola hisy […]
Atrikasam-pirenena MFFT sy ny MPEB: Hohatsaraina ny fitantanana ny ranomasina
Notanterahina teny Andrainarivo, omaly, ny atrikasam-pirenena fakan-kevitra momba ny ranomasina. Napetraka tamin’izany ny tanjona iraisan’ireo mpisehatra rehetra. Samy naneho fahavononana handray andraikitra amin’ny fitantanana maharitra ny ranomasina ireo mpisehatra rehetra. Anisan’ izany ny avy amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga […]
TSELATRA
Lehilahy iray tratran’ny polisim-pirenena teo am-pamakiana trano tany Toamasina, omaly maraina be. Nahita sy nandre io tranga io ny andrimasom-pokonolona tao Tanambao V ka niantso manam-pahefana. Nidina ifotony nijery ny zava-misy avy hatrany ny mpitandro filaminana rehefa nandre ny tranga. Vokany, lehilahy iray voasambotra teo am-panatanterahana ny asa ratsiny. Tafiditra […]
Saika hanolana mpianatra : Mpampianatra iray nidoboka am-ponja
Naiditra vonjimaika am-ponja ao Ambalatavoahangy, omaly, ny mpampianatra iray 66 taona miasa amina sekoly tsy miankina iray ao Toamasina. Nikasa hanolana zazavavy, mpianany taraiky nirava nianatra tao an-dakilasy, izy io. Manery sy manao herisetra amin’ireo mpianany rehetra ao an-dakilasy ihany koa izy io. Nisy ankizivavy 13 taona iray somary taraiky […]




