Nahatratra 4300 taonina (t) ny lavanila naondran’i Madagasikara teo amin’ny tsena iraisam-pirenena, ho an’ny taom-pamokarana 2023-2024. Mihoatra lavitra noho ny filana maneran-tany izay tombanana manodidina ny 2 500 t izany, araka ny tatitry ny filan-kevitry ny minisitra farany teo. Mbola milanja 931 t ihany koa ny lavanilina aondrana telo volana mialoha […]
Taratra
Vidim-piainana : Miaina anaty fahantrana ny Malagasy 8 amin’ny 10
Nidangana ny vidim-piainana eto Madagasikara, nitotongana ihany koa ny toekarena nandritra ny taona 2024. Miaina anaty fahantrana ny Malagasy valo amin’ny folo, araka ny fanadihadiana navoakan’ny Afrobarometer. Nivoitra tao anatin’izany fa tsy manam-bola ny 94% ny Malagasy. « Miaina anaty tsy fanjarian-tsakafo ihany koa ny 65% ary tsy ampy fitsaboana ny […]
INDRAY MIJERY
Hahazo vahana amin’ny ankapobeny ny volonandro fahavaratra. Tombanana hahazo vahana miserana kosa anefa ny varatraza, ny zoma ho avy izao. Ho maina amin’ny ankapobeny ny andro any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy ato anatin’ny dimy andro ho avy. Andrasana kosa ny orana tandrifin-drahona any an-toerana, ny faran’ny herinandro. Tombanana hitoetra hatrany […]
Humanity First – Miozolomanina Ahmadiyya: Nankahery ireo fianakaviana mpialokaloka ara-pinoana
Notontosaina teny amin’ny foiben-toeran’ny Miozolomanina Ahmadiyya Andavamamba, omaly, ny fankaherezana sy fanohanana ireo fianakaviana mpialokaloka ara-pinoana. Fianakaviana 500 izy ireo izay avy amin’ny firenena maro samihafa. Misy avy any Pakistan, Afghanistan, Mali, Togo… Ny ONG Humanity First avy any Alemana miara-miasa amin’ny Miozolomanina Ahmadiyya eto Madagasikara no tompon-kevitra amin’ny fiahiana […]
Takaitran’ny rivodoza Jude : Dimy no maty, 106 372 traboina
Dimy ny olona maty vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Jude tany amin’ny tapany atsimon’ny Nosy, araka ny tatitra navoakan’ny BNGRC, ny faran’ny herinandro teo. Ambovombe, Taolagnaro, Befotaka no nahitana ireo tranga ireo. Enina kosa no naratra. 106 372 ny traboina (tokantrano 24 885), olona 20 827 avy ao amin’ny faritra Androy, Traboina 6 […]




