Namoy ny ainy teo no ho eo ilay mpitondra moto niharan’ny lozam-pifamoivoizana teny Andranotapahina, fokontany Amborompotsy, kaominina Talatamaty, ny harivan’ny alahady 23 marsa teo. Nandeha mafy io mpitondra moto io ka nisongona moto telo hafa. Nifanoha-dalana taminy anefa ny fiara Kangoo iray. Tsy nahafehy ny familiana intsony izy. Niezaka niala […]
Taratra
Efa nahazo 30 tapitrisa Ar : Mpisoloky roa lahy voasambotra
Tafakatra hatramin’ny 30 tapitrisa Ar ny vola efa azon’ireo roa lahy mpisoloky tra-tehaky ny zandary. Mpividy entana tamina tambajotran-tserasera ireo lasibatra teto an-dRenivohitra ireo. Notanana eo anivon’ny zandarimaria, zana-tobim-paritra Ambohibao-Antehiroka rehefa tratra tany Toliara, ny mpisoloky roa lahy tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera, afakomaly. Nanaraka fivarotana entana mivantana tamin’ny alalan’ny facebook ireny […]
Trano fonenana : Mbola vitsy ny manara-dalàna
Maherin’ny 6 tapitrisa eo ho eo ny isan’ny trano fonenana eto Madagasikara ka ny 83% dia saika misoratra amin’ny olon-tokana. Karazan’ny maro no hita amin’izany. Raha fintinina ny ara-dalàna : misy jiro sy rano ary toeram-pidiovana. Betsaka anefa izy ireny no zara fa azo itoerana fotsiny. Singa iray lehibe hijerena […]
Women Rock in Digital : Soa fanararaotra ho an’ny vehivavy ny IA
Mivoatra hatrany ny hetsika karakarain’ny Avana Hub. Miditra amin’ny andiany fahenina amin’ny « Woman Rock In Digital » ny mpikarakara. Nampahafantarina teny amin’ny école 42 Andraharo, ny sabotsy teo izany. Lohahevitra amin’ity taona ity ny “vehivavy, ny saina voatry ny olombelona (IA) sy ny hoavin’ny asa: ahoana ny hamadihana ireo fanamby ho […]
VAOVAO TAMBATRA
Hanome sehatra matihanina ho an’ireo mpanao asa tanana malagasy ny village artisanale atao eny Ivato. Fitaratra hamondronana ireo karazana asa tanana izany no hampirantiana sy hamarotana ny vokatra. Ho hita eny an-toerana ihany koa ireo tolotra amin’ny fanondranana sy birao fanakalozana vola vahiny. Hapetraka ny faritra afaka haba iraisam-pirenena eo […]




