Mijoro sy sahy amin’ny fanatanterahana ny politikam-panjakana ny fikambanana DHEA. Vonona ny hitondra ny traikefany notovoziny teny amin’ny Enam izy ireo hampandrosoana ny firenena. Nanao fihaonambe ireo mpikambana ao amin’ny DHEA na fikambanan’ireo mpianatra nahazo ny Diplômes en hautes etudes en administration, cycle expertise ao amin’ny sekoly ambony Enam. Mampivondrona […]
Taratra
Futsal vehivavy – Mada 2025 : Tompondaka ny Disciples Fc Vakinankaratra
Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny taranja baolina kitra anaty efitrano, sokajy vehivavy, ny ekipan’ny Disciples Fc Vakinankaratra, ny sabotsy teo, tany Toamasina. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 1, ny klioban’ny LFC2A Atsimo Atsinanana. Raha hiverenana hofintinina ny fifanandrinan’ny roa tonta, ny ekipa avy ao Antsirabe no nitarika tamin’ny […]
E-Sport: Masoivohon’ny marika Orange i Kimi
Manomboka izao, lasa masoivoho ofisialin’ny marika Orange Madagascar, i Fanomezantsoa Tsiaro, fantatra amin’ny solon’anarana hoe : Tsiaro. Io no fanambarana navoakan’ity orinasam-pifandraisana ity, tao amin’ny tambanjotra seraserany, omaly. Mpilalao mana-talenta ary sangany amin’ny E-sport afrikanina ny tenany. Raha tsiahivina, nandrombaka ny fandresena tamin’ny Swahili E-sport Champion, tany Nairobi Kenya sy ny […]
DAKA AN-JORONY: Toy ny bevohoka mita lakana izao
Velom-bolo indray ny rehetra taorian’ny fandresena azon’ny Barea de Madagascar, ny alarobia lasa teo. Lojika izany satria efa fotoana ela tsy nigoka ny tsiron’izany fandresena izany. Vao dingana anefa no vita fa ny tanjona tsy mbola tratra ka aleo malina tsara. Toy ny bevohoka mita lakana mantsy izao, ka tsy […]
Rugby – «XXL Top 12»: Hifandona amin’ny famaranana ny Cosfa sy ny FTM
Tsy nisy ny fahagagana fa vokatra efa nampoizin’ny rehetra no nitranga teo amin’ny manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby. Nivoaka ho mpandresy avokoa ny FTM Manjakaray sy ny Cosfa (Bebaoty). Voahaja ny lojika raha ny voka-dalao teo amin’ireo dingana roa ireo. Tsy mbola afaka namadika ny tantara ny […]




