Hampiasaina ny drones hahafahana mijery ireo fanotofana tany tsy ara-dalàna. Giazana avy hatrany ireo kamiao tratra ary tsy handefitra ny Apipa. Manao ny fomba rehetra hitsirihana ireo mpanototra tany tsy ara-dalàna, izay mamparefo ny lemak’Antananarivo ny Apipa. Miroso amin’ny fametrahana ny “digitalisation” ny ekipa ary mampiasa fitaovana manara-penitra, toy ny […]
Taratra
Fitakian’ny RMDM: “Atsaharo ny tsindry sy ny ramatahora”
Notanisain’ny RMDM, omaly, tetsy Bel Air, fa voahitsakitsaka ny lalàna fototra sy ny zon’olombelona ary ny demokrasia eto amin’ny firenana, amin’izao fotoana izao. Maro ireo tranga niseho tato ho ato manamarina izany, araka ny nambaran’ny mpitarika, ny pasitera Tsarahame Edouard. Notanisainy tamin’izany ny fisamborana ireo mba maneho hevitra na koa […]
Fiaraha-miasa: Nifampizara traikefa amin’i Afrika Atsimo ny CUA
Nanatanteraka fitsidihana amin’ny fomba ofisialy ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Ramanantsoa Harilala, ny masoivohon’ny Repoblika Afrikanina Atsimo, i Khazamula Lawrence Chabane, omaly. Notanterahina tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna, Analakely izany. Tanjon’ ny fihaonan’ny roa tonta ny fijerena ny fiaraha-miasa azo tanterahina eo amin’ireo tanàna lehibe any Afrika Atsimo sy Antananarivo Renivohitra. Voaresaka […]
Lisi-pifidianana: Hifarana ny 15 febroary ny fisoratana anarana
Mampahatsiahy ny olom-pirenena ny eo anivon’ny Ceni fa atomotra ny fikatonan’ny fisoratana anaty lisi-pifidianana. Manentana ny rehetra izy ireo amin’izany. “Manentana antsika olom-pirenena, tsy mbola anaty lisitry ny mpifidy mba hanatona ny fokontany hisoratra anarana. Mbola manana fotoana isika hanatanterahina izany”, hoy ny eo anivon’ny Ceni tamin’ny alalan’ny mpanolotsaina, Ravalitera […]
Jeneraly Ramakavelo Désiré: “Didim-pitsarana politika no natao”
“Azo lazaina hoe sarotra ny fitsarana ny “Raharaha Ratsimandrava”. Tena sarotra satria niankina tamin’ny didim-pitsarana tamin’iny no mety hoe mampihavana ny Malagasy na manapotika ny firenena”, hoy ny talen’ny kabinetra miaramila tamin’izany, ny jeneraly Ramakavelo Désiré Philippe, tamin’ny febroary 2016, raha nanontaniana manokana. Izay no nahatonga ny tao amin’ny direktoara […]




