Hotanterahina ny 1 marsa ny “Tropic Awards 2025”. Hetsika hanomezana loka an’ireo mpanentana (influenceurs) eo amin’ny sehatry ny fizahantany sy ny sakafo. Manome lanja ny vokatra malagasy sy mampahafantatra an’i Madagasikara eto an-toerana sy any ivelany ireto mpisehatra ireto hampiroboroboana ny seha-pihariana. Nankatoavina ny fomba fanao tsara amin’ny fambolena kafe […]
Taratra
Arabe migodana : Hamatsy vola ny tapany faharoa ny Badea
Misy sahady ny vokatra, nandritra ny dian’ny filoha Rajoelina Andry any Dubai, nanatrika ny fivoriambe WGS 2025. Nankasitrahin’ny filohan’ny Banky arabo ho an’ny fampandrosoana –Badea, i Sidi Ould Tah, ny tetikasan’ny filoha Rajoelina Andry, hanamboatra arabe migodana, mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Nambarany, fa fotodrafitrasa goavana hanova ny firenena malagasy ity […]
Erikerika!
Ny erikerika mahatondra-drano, hoy ny fiteny mahazatrany Malagasy. Mody mitsitaitaika izany ny vokatry ny ketrika tarihin’ny filohan’ny Repoblika any ivelany any. Mahery vaika ny adisisika. Tonga tsikelikely ny tompom-bola hiasa aty Madagasikara. Isaky ny mivoaka dia mibaribary fa manan-talenta amin’ny resaka diplaomasia avo lenta sy ahitam-bokany ny Filoha. Tsy […]
Fahavitan-tena ara-tsakafo : Nampivoatra ny fomba famokarana ny Sanoi
Nahomby ny fanavaozana ny fomba famokarana, notohanan’ny fandaharanasa Sanoi. Voakasik’izany ny firenena aty amin’ny ranomasimbe Indianina, ka anisany i Madagasikara. Nanomboka ny taona 2021 ary nifarana tamin’ity 2025 ity ny fandaharanasa Tantsoroka ho an’ny fanjarian-tsakafo aty amin’ny ranomasimbe Indiana (Sanoi). Namolavola azy ny Vondrona ranomasimbe Indianina (COI), notohanan’ny Vondrona eoropeanina […]
TSELATRA
Naiditra vonjimaika am-ponja eny Tsiafahy ilay lehilahy nanolana ka nahafaty ny zana-badiny vao 5 taona monja teny Ambohipo. Voasazy hiasa an-terivozona mandra-pahafatiny, miampy famosirana izy io, taorian’ny didy nivoaka. Marihina fa miaramilan-tsambo ity lehilahy nanolana ity. Miasa alina ny renin’ilay zaza ka matetika izy sy ilay zaza irery foana no […]




