Manohy ny fomba fiasa nahazatra azy, amin’ny fihaonana amin’ny mpanao gazety, ny eo anivon’ny faritra Vakinankaratra. Nitarika izany ny governora, Vyvato Rakotovao. Nambarany fa fomba fiasa eo anivon’ny faritra ny fandalana ny mangarahara ka azo noresahina sy nanontaniana avokoa ireo sehatra rehetra eo anivon’ny faritra. Anisan’izany ny lafiny toekarena, ny […]
Taratra
Faritra Androy: Hatsaraina ny drafi-panajariana ifotony
Mitohy ny hetsika eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Tafiditra amin’ny fampandrosoana eny ifotony izany, ho an’ny faritra Androy. Nanatanteraka atrikasa ho an’ny faritra, anisan’ny tantsoroka ara-teknika ho an’Androy, ny eo anivon’ny MFFT. Natao tao amin’ny Camp Flacourt Taôlagnaro ny hetsika, naharitra roa andro. Manohana izany […]
INDRAY MIJERY
Hahazo vahana ny oram-pahavaratra manerana ny Nosy, amin’ity herinandro ity. Mety hanantombo kokoa izany ho an’ny tapany atsimon’ny atitany, manomboka anio, ho an’ny tapany atsimon’Analamanga, ny distrika Anosibe an’Ala, Marolambo, Ifanadiana, ny ilany atsinanan’ny faritra Vakinankaratra, Amoron’i Mania ary Matsiatra Ambony. Hisy fanamafisana ny fahaiza-manao ho an’ireo fitaleavana isam-paritra. Santionany […]
Tobim-pahasalamana: Azo tsapain-tanana ny fomba fiasa 5S
Manatsara ny fomba fiasa eny amin’ny tobim-pahasalamana ny tari-dalana « Kaizen ». Tanjona ny fanatsarana tsy an-kiato ny kalitaon’ny tolotra fahasalamana sy ny fomba fiasa. Nofanina, araka izany, ireo mpiasan’ny fahasalamana eny ifotony hanaraka io fomba fiasa fanaovana sivana ny fitaovana sy kirakira eny amin’ny tobim-pahasalamana io. Efa azo tsapain-tanana ny vokatra […]
Oniversiten’i Fianarantsoa : Napetraka ny FabLab
Natomboka tamin’ity herinandro ity ny asan’ny FabLab solidaire Hay Tao ao amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa. Fiaraha-miasa amin’ny Orange solidarité Madagascar sy ny Agence universitaire francophone (AUF) izany. Novatsiana fitaovana ilaina rehetra ny mpisitraka ny ivontoerana misy ny FabLab, ahitana kojakoja niomerika hatramin’ny imprimante 3D. Mbola hampiofana ireo liana sy vonona ny […]




