Afaka dimy volana ny fanadinana bakalorea. Dieny izao, efa manomboka ny fisoratana anarana ho an’ireo maniry ny hiatrika izany. Tsy handeferana ny tsy fanajana ny fe-potoana sy ny antontan-taratasy tsy feno. Nampahafantatra ny mi-nisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny amin’ ireo antontan-taratasy ilaina amin’ny fisoratana anarana ho an’ireo […]
Taratra
VAOVAO TAMBATRA
Miisa 10 000 ny zana-kazo honko nambolena, tamina velaran-tany 5 ha, tany Antalaha, fokontany Ambalavontaka, kaominina Ankatafana, distrika Manajary, ny 6 febroary teo. Manamorona ny Lakandranon’i Pangalana ity toerana ity, ka nampifandrifiana ny fanokafana ny fotoam-pambolen-kazo 2025 ho an’ny faritra Vatovavy, sady fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny faritra mando rahateo. […]
Fampiroboroboana ny toekarena : Miara-miasa amin’i Inde i Madagasikara
Vonona hiara-hiasa amin’ ny firenena indianina hatrany i Madagasikara ho an’ny fampandrosoana ny toekarena sy hijerena ireo sehatra stratejika ahafahan’izy ireo mampiasa vola. « Ilana ny fanavaozana ny fotodrafitrasan’ny fitaterana sy ny angovo, izay laharam-pahamehana napetraky ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa indianina izany », hoy ny minisitry ny Fitaterana sy […]
Sidina anatiny : Hihena hatramin’ny 73% ny sarany
Fihenam-bidy. Hihena hatrany amin’ny 73% ny saran’ny sidina anatiny ataon’ny kaompania Madagascar Airlines. Tolotra manankery ho an’ireo mividy tapakila hatramin’ny 23 febroary, araka ny fanambarana nataony. Noho izany, manomboka amin’ny 353 500Ar ny saran’ireo sidina rehetra. Tolotra natao ho an’ireo mamandrika tapakila eo anelanelan’ny volana mey 2024 ka hatramin’ny volana avrily […]
« WGS 2025 »: Karohina ny vahaolana hitondra fampandrosoana
Hamaritra ny tontolon’ny hoavy hisian’ny fampandrosoana ny fivoriambe “WGS” any Dubaï. Karohina ny vahaolana iombonan’ny rehetra manoloana ny fihazakazaky ny teknolojia. Nisokatra ny talata 11 hatramin’ny 14 febroary ny Fivoriambe farantampon’ny governemanta maneran-tany (WGS 2025), andiany faha-12, atao any Dubai, Emirats Arabo Mitambatra (EAU). Fihaonambe, mifototra amin’ny lohahevitra hoe «ny […]




