Hisy ny ady moraingy goavana hatao eto Antananarivo, eny amin’ny Kianjan’ny Kanto Mahamasina, ny 6 avrily ho avy izao, taranja anisan’ny manavanana ny Malagasy, kanefa tsy dia henoheno. Maromaro ny mikarakara ity hetsika ity, ahitana ny Maître Thierry (Boire Noire), Koezy, Tombon’ondry Somany, Sambirano, Pride Gasy, Zokibe Rossy sy ny […]
Taratra
“World Cola PFL”: Ao anatin’ny heriny ny AS Fanalamanga
Tontosa nandritra ny faran’ny herinandro teo ny andro faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “World Pureplay Football League (PFL)”. Ny ekipan’ny AS Fanalamanga no mitarika vonjimaika amin’ity fifaninanam-pirenena ity, satria izy ireo hatrany no nahazo fandresena, roa tao anatin’ny lalao roa izay natao. Raha hiverenana ny vokatra […]
Rugby – “AROI 2025” : Hotanterahina ny volana avrily
Hampiantrano ny fifaninanana iraisam-pirenena indray ny Malagasy Rugby. Hisantatra izany ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, ho an’ny sokajy zandriny latsaky ny 18 taona, lahy sy vavy, eo amin’ny rugby lalaovin’olona 7. Mikarakara izany ny fikambanan’ny rugby aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina na ny Aroi. Hatreto, tsy mbola […]
« Afrobasket 2025 » : Efa eto an-toerana ry Kiady sy Jerry ary Rija
10 andro tsy higadonan’ny dingana faran’ny fifanintsanana hahazoana ny tapakilan’ny “Afrobasket 2025”, mihamafy ny fanomanantenan’ny ekipa malagasy, Ankoay lehilahy. Mahakasika ireo mpilalao milaravinahitra, efa misy tonga eto an-toerana, anisan’izany Razanamahenina Kiady sy Rabibisoa Jerry Pépin ary i Lahotan Rija. Tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity no tonga teto i Jerry raha vao […]
TARATRY ny KANTO
Hisy velakevitra roa, iarahana amin’ireo mpanoratra sy poeta, ao amin’ny Faribolana Sandratra, anio. “Ny forona, mafy orina” ny lohahevitra voalohany, hofakafakain’i Mero Kosiky. “Ny forona sy ny mpamorona kosa ny faharoa”, hoentin’i Andriniela. Ao amin’ny efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy ireo, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. Tsy raikitra ilay “Revy […]




