Taratra

Tenindreny : Hisy ny Tombokavatsan’ny teny malagasy

21 febroary, « Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny ». Hanatanteraka hetsika miavaka eto an-dRenivohitra ny Fikambanan’ny poety sy mpanoratra malagasy Ha­vàtsa-Upem, amin’io fotoana io. « Tombokavatsan’ny teny ma­lagasy », hotontosaina ao amin’ny efitrano malalaky ny Havoria Anosy, ny zoma 21 febroary izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny fiantsana tononkalo […]

Andro maneran-tany ho an’ny teatra: Hisy fifaninanana iraisan’ ireo sekoly

Homena sehatra ny taninketsa. Izay no tanjona amin’ny fikarakarana fifaninanana teatra an-tsekoly. Hivoizana ihany koa ireo lohahevitra mila fanentanana amin’izao fotoana izao, izany. 27 marsa, Andro ma­neran-tany ho an’ny teatra. Anisan’ireo firenena maro manamarika izany isan-taona i Madagasi­ka­ra. Toy ny tamin’ny taon-dasa, mikarakara fifaninanana teatra iraisan’ireo sekoly ny minisiteran’ny kolontsaina […]

FANTINA sy FINTINA

“Misitrika aho fa mamy ny miaina”, hoy ny ampahan’ny fananambaran’ny ben’ny Tanànan’Antsi­ra­nana, Djavojazara, omaly 11 febroary. Niparitaka tao amin’ny tambajotran-tserasera ny horonantsary maneho izany. Tsiahivina fa efa nametrahana PDS ny fitantanana ny kaominina Antsiranana I. Hametraka fitoriana ny eo anivon’ny minisitera misahana ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). […]

Loholona Ndremanjary Jean André : “Tsy mampandroso ny Tetezamita”

“Tsy mampandroso izany Tetezamita fiaraha-mitantana izany. Olona tsy mitovy pro­grama ve no hiara-kitantana? Ny an’iza no tena hotantera­hina? Aleo ny filoha Rajoelina Andry amin’ny nifidianan’ny olona azy hanao ny azy hatramin’ny farany”. Io ny fanehoan-kevitry ny loholona Ndre­manjary Jean André, teny Anosy, omaly, ny amin’ny fitakian’ny mpanohitra sasany amin’izao. Efa […]