Taratra

Entana halatra tetsy Behoririka: 11 voasambotry sy nosamborina

Nanomboka ny 5 febroary lasa teo, tafakatra 11 ireo olona voarihorohy sy voasambotra tamin’ilay halatra entana solosaina 37 sy bisikileta elektrika tetsy Behoririka. Voasambotra omaly ny 8 tamin’izy ireo. Niampy valo indray ireo mpandray entana tsy ara-dalàna tamin’ilay halatra entana: bisikileta elektrika sy solosaina 37 tao amin’ny tranombarotra informatika iray […]

Volley-“CCCZone 7”: Hanao lalao ara-pirahalahiana maro ny GNVB

Fanombohana ihany iny, araka ny fanazavan’ny filohan’ny klioba GNVB, ny kolonely Rajaonarison Fortunat, fa mbola hisy lalao maro hatao. “Hanao lalao ara-pirahalahiana maro amin’ny klioba samihafa izahay aorian’izao”, hoy ny fanazavany ary efa eo am-pandaminana ny mahakasika izany. Nambarany ihany koa fa nifandanja ny lalao ary afaka nitarafana ny lentan’ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Tonga ity ny taona 2025, hatramin’ny omaly, tsy mbola nisy feo mandeha mahakasika ny fandaharanasan’ny Federasiona malagasin’ny bisikileta. Tsia­hivina, amin’ity taona ity, hisy hetsika goavana horaisin’i Madagasikara, dia ny fifaninanana eo anivon’ny ranomasimbe Indianina andiany faharoa. Marihina fa ny filohan’ny Federasiona malagasy ihany no filohan’ny ranomasimbe Indianina, amin’ny taranja bisikileta. […]

Claudine Nomenjanahary : Nahazo medaly volamena teo amin’ny hazakazaka 60 m

Lasan’ilay Malagasy, i Claudine Nomenjanahary, ny tompondakan’i Frantsa, teo amin’ny atletisma fanao anaty efitrano, tamin’ny sabotsy lasa teo. Norombahiny ny medaly volamena teo amin’ny 60 m. Norombahin’ny Malagasy atleta, ao amin’ny club Stade Sottevillais 76, ny medaly vo­la­mena sy ny anarana maha tompondakan’i Frantsa, eo amin’ny halavirana 60 m. Ha­za­kazaka […]