Raha misy zavatra mampikatso ity firenena ity angamba dia ny fizirizirian’ireo nomem-pahefana. Betsaka loatra ny sarotra atoro. Maro ny mihevi-tena fa rehefa manam-pahefana dia tampom-pahaizana. Toa tendritendrena fahatany ny mpanolotsaina, zarazaraina ny toerana. Fa tsy henoina sy mba raisina ny torohevitra. Mahavariana fa ny tsy mahay sy tsy mahafehy […]
Taratra
Praiminisitra Ntsay Christian : “Mamaritra ny lalana handrosoana ny tantara”
Nanome voninahitra ny fahatsiarovana ny faha-50 taona nahalavo ny Kly Ratsimandrava Richard, omaly, teny Ambohijatovo Ambony, ny Praiminisitra Ntsay Christian. Nisy ny hafatra fohy nambarany tamin’izany. Nampitainy ny fiombonam-pon’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, amin’ny vahoaka malagasy amin’izao fotoana sarobidy izao. « Ny tantara tsy fanadino ary izany no mamaritra ny […]
TSELATRA
Raim-pianakaviana iray may vokatry ny fahamaizan’ny trano nonenany, omaly maraina. Taraiky tany amin’ny efitra ambony ny zafikeliny iray ka nanavotra azy io izy no may. Niainga tany amin’ny efitra ambany ny afo, nahitana solika ka nampiredareda malaky ny afo. Efa nentina tany amin’ny mpanao ody may izy io taorian’ny tranga. […]
Karohina ny mpamily : Lehilahy maty voadonan’ny fiara
Nisehoana lozam-pifamoivoizana tetsy amin’ny lalana akaikin’ny Clinique Malaza Andoharanofotsy, afakomaly alina tamin’ny 9 ora latsaka teo. Maty tsy tra-drano, voadonan’ny fiara tsy fantatra, ny lehilahy iray. Nampandre ny zandary avy ao Andoharanofotsy ny olona tsara sitrapo fa misy olona mitsirara sy maratra mafy eny an-toerana. Nidina nijery ny zava-misy teo […]
Dahalo raindahiny : Lavon’ny balan’ny zandary i Fidel kely
Maty lavon’ny balan’ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena Tsiroanimandidy, i Fidel kely, afakomaly tamin’ny 3 ora maraina. Nahazo antso avy amin’ny mponina any an-toerana ny zandary fa misy dahalo 15 lahy mitondra basy mandalo ny kizo any Borikely, fokontany Vohimasina, kaominina ambanivohitra Belobaka, distrika Tsiroanimandidy talohan’io tranga io. […]




