Taratra

Minisitry ny Fampianarana teknika : Nitsidika ny faritra Atsimo Atsinanana

Nitsidika ny faritra Atsimo Atsinanana ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rasoloa­risoa Marie Marcelline, ny herinandro lasa teo. Nijery ny fanavaozana natao tamin’ny CFP Ampanarena (Anosy Arafa) sy ny LTP Farafangana ny delegasiona. Nisy ny dinidinika hanatsarana ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa niarahana ta­min’ny DRETFP […]

Fampianarana ambony : Jerena ny fizarana vatsim-pianarana

Manatanteraka ny toromariky ny filoham-pirenena ny amin’ny fijerena manokana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Nidina teny amin’ny oniversiten’Antananarivo nijery akaiky ny fikarakarana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Chaminah Loulla, niaraka tamin’ireo ekipa teknika. Tao amin’ny fakiolten’ny […]

“Backyard Ultra”: Hanohanana ny zaza malagasy raisin’ny ONG Ketsa an-tanana

Ho avy sy hisy voalohany eto Madagasikara ny “backyard Ultra”. Hetsika ara-panatanjahantena hamondronana ireo atleta samihafa indrindra ny eto an-toerana. Hotanterahina eny Von­tovorona ny 14,15 ha­tramin’ny 16 febroary ho avy izao ny hetsika ara-panatanjahantena antsoina hoe: “course backyard Ultra”. Andiany voalohany izy ity, karakarain’ny ONG Ketsa, iaraha-miasa amin’ny Yas Madagascar […]

Lomano – Madagascar Aquatics : Feno ny fandaharam-potoana iraisam-pirenena

Toy ny federasiona rehetra, manana ny fandaharam-potoanany ihany koa ny Federasiona malagasin’ ny lomano. Feno avokoa ny fandaharam-potoana, na ny iraisam-pirenena izany, na ny eto an-toerana. Ho an’ity taona 2025 ity, fifaninanana iraisam-pirenena efatra no efa fantatra fa lasan’ny FMN handraisana anjara. Voalohany amin’izany, ny fiadiana ny tompondaka an’i Afrika […]