Nankalazaina, omaly, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny ladoany (JID). Fotoana nanararaotan’ny tale jeneraly, Lainkana Zafivanona Ernest ihany koa, nanazavany ny paikady vaovao hatao ato anatin’ny 5 taona manaraka (2024-2029) miisa 12. Hatao rafi-panjakana lohalaharana ny haban-tseranana. Hampiasaina ny teknolojia niomerika amin’ny fanaraha-maso ny entana, ka ialana tsikelikely ny fampiasana taratasy. […]
Taratra
Findramam-bola : Maro ny misedra olana
Nitatitra ny olana sedrainy mahakasika ny findramam-bola ny renim-pianakaviana vitsivitsy. Nilaza ny iray tamin’izy ireo fa « nindram-bola tany amin’ny sampandrahara ara-bola madinika na mikraofinansa. Herintaona ny fe-potoana nangatahako hanonerana ny vola. Efa nanangana trano aho ary andalam-pahavitana, saingy tsy ampy kely ka nahatonga ahy nindram-bola. Taty aoriana, niova hevitra ilay […]
Tohana GIZ : 1 707 ha ny tontolo voajanahary narenina
Manan-danja amin’ny Fiaraha-miasa alemà (GIZ) ny fiarovana ny tontolo iainana. Eo koa ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro eto Madagasikara mba hisian’ny fampandrosoana. Nahatratra 1 707 ha ny tontolo ala voajanahary narenina, avy amin’ny tetikasa notohanan’ny GIZ, nampihena ny fandripahana ny ala sy ny doro ala manodidina ny faritra Arovana (AP). Nilaza […]
Sombim-baovao
Tontosa, omaly, tetsy amin’ny biraon’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny Tanora (MJS) teny Ambohijatovo, ny fifamindrana andraikitra, teo amin’ny mpitantana ny seraseran’ny MJS teo aloha sy ny Talen’ny serasera vaovao, Randrianarisoa Riana Raymonde. Araka ny fikarohana natao, hatao any Rabat Maroc, ny alatsinainy ho avy izao, ny antsapaka hahafantarana ireo mpiray […]
Judo-Vétérans : Hatao eto Madagasikara ny « Mondial 2025 »
Taona hiavaka ho an’ny taranja Judo ity taona 2025 ity. Voalohany amin’ny tantara, handray ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, sokajy Vétérans, i Madagasikara amin’ity taona ity. Any amin’ny volana novambra any no hanatanterahana izany. Mpikatroka manerana izao tontolo izao, manodidina ny 2000 eo no ho avy eto Madagasikara hiatrika ity […]




